Politique

Nodimandry ny Dr Julien Tohizo ny tolona, mampamangy any amin’i Dada, hoy ny hafany


  • Alatsinainy 26 Septambra 2011


 “Tohizo ny tolona ary mampamangy any amin’i Dada fa andeha aho”, hoy Rakoto Julien na ny dokotera Julien tamin’ny hafatra farany somary sangisangy nifanaovany tamin’ireo mpiara-mitolona aminy nialoha kely monja ny ora nahafatesany. Nodimandry tamin’ny sabotsy 24 septambra tamin’ny 4ora30 maraina tokoa ity mpikatroka anisan’ny mafana fo, mpikambana tao amin’ny Ankolafy Zafy Albert, fantatry ny maro loatra tetsy amin’ny Kianjan’i Magro Behoririka hatreny amin’ny Magro Ankorondrano ity rehefa nalefa nody any an-tanindrazany any Farafangana, fotoana vitsivitsy lasa izay, noho ny toe-pahasalamany efa tsy azo antoka intsony.

Antefasy izy ka tsy miandry ela dia hasitrika, hoy ny fanazavana nomen’i Camille Mektoub nitondra ny vaovao tetsy an-kianja tamin’io sabotsy 24 septambra io ary mbola nanizingizina fa anisan’ny nanampy trotraka ny tsy fahasalaman’ity mpitari-tolona ity ireny baomba lakrymozena lava tsy maintsy nosedrain’ny mpitolon’ny Ankolafy 3 nisy azy ireny. Anisan’ny nahatsiarovan’ny rehetra an’ny Dr Julien indrindra ilay fiarahabana manao hoe “Akory anareo Antananarivo ê !”. Nambara tao an-kianja ihany koa ny fodiamandrin-dRaveloson mpitolona tsy tapaka avy eny Atsimondrano. Samy notsahivina sy nomem-boninahitra tamin’ny iray minitra fahanginana izy mirahalahy ireo.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT