Politique

Niverina ny famatsiam-bola vahiny Hotohizana ny MAP


  • Alarobia 21 Mey 2014

Midehaka ny mpitondra ankehitriny fa hitobaka ny vola avy any ivelany, taorian’ny nanafoanan’ny Vondrona Eoropeanina ny sazy nihatra tamin’i Madagasikara hatramin’ny 2009 noho ny fanonganam-panjakana nitranga teto ka nampihantona ireo famatsiam-bola efa azo. Hatrany amin’ny 2 miliara dolara no voalaza fa ho azon’i Madagasikara.

 Trosa vaovao io. Asa moa na fifanandrifian-javatra fotsiny na nampifanojoana mihitsy fa nifanotona ny andron’ny 19 mey 2014 fanambarana nataon’ny Vondrona Eoropeanina sy ny Banky Iraisam-pirenena hanampy an’i Madagasikara. Na izany aza ny tsara homarihina ary tsy maintsy resahina dia nametraka fepetra ireo mpamatsy ny amin’ny hampiasana ny vola. Anisan’izany ny mangarahara amin’ny fitantanana. Tsy inona io fa ilay Teny Ifanomezana voalohany ao amin’ny Madagasikara am-perinasa (MAP), vinam-piarahamonina nampiharin’i Marc Ravalomanana hampandrosoana an’i Madagasikara. Halefa any amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa, indrindra ny lalana, ny ampahany sasany amin’ny vola ho azo.

Io ilay Teny Ifanomezana faha-2 ao amin’ny MAP : “Fotodrafitrasa mifandray”. Hisy indray ampaham-bola natokana hanatsarana ny seha-panabeazana. Moa va tsy ny Teny Ifanomezana faha-2 ao amin’ny MAP no tiana hambara. Ny sasany indray hatokana ho an’ny fahasalamam-bahoaka. Teny Ifanomezana faha-5 ao amin’ny MAP izany. Ny fiarovana ny tontolo iainana moa dia mazava be fa fanatanterahana ny Teny Ifanomezana faha-7 ao amin’ny MAP. Aleo dia tsorina fa ny MAP no tena nahazoana vola e ! Inona tokoa moa no maharatsy ny hanohizana ny fanatanterahana ny MAP rehefa hita fa hitondra fampandrosoana an’i Madagasikara, rehefa tsy manana programan’asam-pampandrosoana mazava e ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT