Nitsefotra ny fananganana governemantan’ny firaisam-pirenena nokasaina hotanterahina omaly alakamisy 17 novambra 2011.
“Ny fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona. Noho ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny fandrafetana izany governemanta izany dia voatery hahemotra amin’ny fotoana mahamety azy”, hoy ny praiminisitra Omer Beriziky, tamin’ny fanambarana nataony teny Iavoloha halina rehefa avy nihaona tamin’i Andry Rajoelina izy.
Andro ratsy !
Mbola voaporofo indray teto fa dia “andro ratsy” amin’ny tantaran’i Madagasikara ny 17 novambra. 17 novambra 2006, niafara tamin’ny fatiolona ny fikotrehana fanonganam-panjakana notarihin’ny jeneraly Andrianafidisoa teny amin’ny BANI Ivato. Efa-taona taty aoriana, 17 novambra 2010, manamboninahitra ambony 16 lahy be izao no indray voasambotra, fa hoe nikotrika fanonganam-panjakana tao amin’io Toby miaramila io ihany. Tetsy andaniny, nisy koa fitsapan-kevi-bahoaka nandaniana lalàmpanorenana notanterahina io andro io, izay tsy mbola nisy fifidianana ratsy karakara toy io nitranga teto amin’ny firenena tato anatin’ny 50 taona nahazoana ny fahaleovantena.
Dia io omaly 17 novambra 2011 io indray, tsy tanteraka ny fananganana governemanta, na dia efa nifanarahan’ny mpanao politika Malagasy teo anatrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny 17 septambra 2011 aza, raha natao sonia ny tondrozotra, ary nohamafisina ny 14 oktobra 2011 rehefa vita ny drafitra fampiharana, fa farafahatarany dia tafatsangana ny 17 novambra 2011 ny governemantan’ny firaisam-pirenena. Ny jeneraly Andrianafidisoa, raha nivahiny tamina fahitalavitra tsy miankina iray teto an-drenivohitra, telo herinandro lasa izay, dia naneho ny ahiahiny fa ho maty ankaranany io. Misy mpitondra ambony, miaraka amin’ny minisitra sasantsasany tao amin’ny governemanta Vital farany teo, koa dia miketrika mafy ny tsy hahatanteraka an’io mba hanara-dia an’i Mangalaza Eugène tsy nahatafavoaka baolina i Omer Beriziky, amin’izay izy ireo dia migalabona eo amin’ny fitondrana hatrany. Omaly ny Tia Tanindrazana dia sahy nilaza fa Rajoelina no sakana tsy hahatafajoro izany governemantan’ny firaisam-pirenena izany. Manamarina izany ny zava-mitranga omaly. Irakiraka sisa no niafaran’ilay praiminisitry ny marimaritra iraisana.
Tsy vitany ny mametraka ny tenany amin’ny toeran’ny praiminisitra ifanarahana sy manefy ny fahefany, fa tratry ny tsindry aloky ny tandapa. Raha ny re dia diso fanantenana, mba tsy hilazana fa tezitra tamin’i Beriziky, ny Pr Zafy Albert, izay nanolotra ka nahatonga azy ho amin’izao toeran’ny praiminisitra izao. Malefaka loatra, tsy araka ny niheverana azy i Beriziky, izay nilokaloka ampahibemaso fa ny tondrozotra no hany mibaiko azy. Mipoitra eny ihany anefa ny maha olon’ny Leader Fanilo azy, any anatin’ny vondrona UDR-C manohana an’i Andry Rajoelina. Ity farany izay mametraka ny tenany ho filoham-pirenena, mihevitra ny hafa, indrindra ny mpanohitra ho mpangataka toerana, ka izay tiany homena no omeny, hany ka tratry ny tery vaimanta hatramin’ny praiminisitra. Voatery avy any koa ity farany ka dia tonga midodododo any an-tranon’ny Pr Zafy Albert, eny amin’ny Villa “La Franchise” Ivandry, mba handresy lahatra ny mpanohitra, ivondronan’ny Ankolafy Zafy, Ravalomanana ary ny Monima/Uamad, hanaiky ny fitsinjarana toerana nokononkononiny sy Andry Rajoelina samirery tao Iavoloha tao. Efa nampahafantatra mialoha an’i Mamy Rakotoarivelo, lehiben’ny delegasionan’ny Ankolafy Ravalomanana, ny zava-misy amin’ilay governemanta tian-dry Andry Rajoelina sy Beriziky hajoro anefa ny ambasadaoron’i Afrika Atsimo izay sady mitarika vonjimaika ny birao fifandraisan’ny SADC eto, Atoa Mokgheti Monaisa. Fampahafantarana toy ny hoe homena ministera enina ny ankolafy Zafy, dimy ny an’ny ankolafy Ravalomanana, raha tsy fantatra kosa ny anjaran’ny Monima/Uamad, tarihin’i Monja Roindefo, izay rehefa tombanana dia ny iray ampahatelon’ireo ministera no an’ny mpanohitra fa ny androatokony kosa dia an-dRajoelina sy ireo vondrona mpanohana azy.
Paipaika. Naharitra ora roa sy sasany ny fihaonana omaly hariva, fihaonana ampy nahatakarana ny paipaika tadiavin’i Andry Rajoelina sy ireo tandapa miaraka aminy hitondrana ny raharaha. Saika hanao fitaovana ny mpanohitra izy mba hahazoana mora ny fankatoavana iraisam-pirenena, izay efa notadiavin’izy ireo mafy tato anatin’ny roa taona sy tapany izao fa tsy azo. Omaly tamin’ny valo ora alina no nokasain’izy ireo hanambarana ny fitsanganan’ny governemanta. Nisy “SMS” naparitaka, tsy fantatra mazava hoe avy aiza, miantso ho eny Iavoloha. Hojonoina amin’ny fanomezana toerana, tsy nifampierana, ao anaty governemanta ny mpanohitra, hatao toy ny tamin’ny nanendrena praiminisitra, ka ho sahirana eo raha mbola hivoaka ny trano indray. Diso paika anefa izy ireo, satria dia mpanohitra niray hina tanteraka no indro nijoro, ary nametraka fotokevitra mazava fa tsy resa-tseza na toerana velively no mahamaika azy ireo, araka ny nambaran’i Miandrisoa Marcel (Ankolafy Zafy), fa ny tsy hiverenan’ny fomba ratsy nataon’izao tetezamita izao tao anatin’izay roa taona mahery nitondrany izay.
Niverina teto indray ny resaka fa tsy tokony haverina anatin’io governemanta hajoro io ireo minisitra FAT teo aloha, araka ny fitakian’ny sehatra iraisam-pirenena, toy ny Amerikanina, ny Vondrona Eoropeanina, araka ny nambaran’i Mamy Rakotoarivelo. Ity farany izay nitondra ny feon’ny mpanohitra, omaly, fa hiala amin’ny tondrozotra izy ireo raha misisika hanatanteraka zavatra tsy tenierana i Andry Rajoelina sy ny praiminisitra. Miantso ny fanelanelanan’ny Troika koa izy ireo, fa tsy hamela amin’ny ambasadaoron’i Afrika Atsimo irery ny asa, fa tsy tontosan’ity farany. Na izany aza dia nanamafy ny fanekeny an’i Omer Beriziky ho praiminisitra ny mpanohitra ary nandroso soso-kevitra mba hanemorana herinandro ny fananganana ny governemanta io, mba hahafahana mifandinika tsara ho tombontsoan’ny firenena. Nihaino io fangatahan’ny ankolafy Ravalomanana, Zafy, Monima/Uamad io ny praiminisitra Beriziky, satria izay rahateo no nambarany fa anton’ny fanemorana “amin’ny fotoana mahamety azy” ny fananganana ny governemantan’ny firaisam-pirenena. Mikasika ny resaka niely omaly, fa hametra-pialana ny praiminisitra, dia nilaza izy tenany fa tsy marina izany, fa tsaho inian’ny sasany aely, ka niantso ny vahoaka ho tony sy hanampaharetana ny tenany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.