Politique

Nitsangana ny «Les AS-U» Matahotra ny tsy hahazo toerana


  • Alarobia 21 Septambra 2011

Tsy naka sarotra fa niandry ny fahatontosan’ny sonian’ilay tondrozotra dia nanangana ny vondrony i Olivier Vaovolo, ilay nalaza ho nitondra ny anaran’ny Les AS nandritra ireny dinidinika nifanaovan’ny V8 talohan’ny sonia ireny.

 «Nisy tokoa ary niaraha-nahita ny disadisa sy tsy fitovian-kevitra sy fijery eo amin’ny samy mpikamban’ny Les AS ka nahatonga anay nanapa-kevitra hisintaka tao», hoy ny fanazavany. Araka izany dia ny anaran’io vondrona io ihany no notovanan’ny tarik’i Olivier ny fanafohezana azy saingy samy hafa kosa ny fanalavana azy. Les AS-U na «Ailes Solidaires Uniplurales» indray izany izao no vondrona politika vaovao eto Madagasikara. Ny fiarovana ny tondrozotra manoloana ny fanatanterahana azy no voalaza fa tanjon’ity vondrona iray ity. Araka ny nambarany mantsy dia io no hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena sy hiverenan’ny famatsiam-bola eto amintsika.

Raha ny fahitan’ny mpanara-baovao azy, tetika hitadiavan-tseza fotsiny ihany no nananganana ity vondrona iray ity. Toa efa natao tsianjery avokoa mantsy ny valin’ny fanontaniana rehetra navaly ny mpanao gazety natrehan’izy ireto omaly, ka na inona fanontaniana nipetraka tao dia izay valiny efa nomasahana ihany no nambara. Hatreto aloha, , tsy mbola misy afaka mamaritra izay mety ho fahazoan-toerana ao amin’io tetezamita iraisana io, fa ny hany fantatra sy efa mazava dia vondrona 11 ihany no voarakitra sy voatonona matetika ao anatin’ny sori-dalana, fa mpanohana ny ankoatra izay toy ny GMMR sy ny TIM Raharinaivo mbamin’ny Exopoles …

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT