Politique

Niteny ny CFM Ben’ny tanàna mendrika ho ray amandreny no ilaina


  • Alarobia 25 Septambra 2019

Manao antso hatrany ny komitin’ny fampihavanana Malagasy na CFM fa fifidianana ifotony tena ahitana taratra ny hoe fanjakana akaikin’ny vahoaka ny fifidianana ben’ny tanàna.

 

 

 

 Tsara ny mijery sy miomana mba ho tena ben’ny tanàna araka ny soatoavina Malagasy eo amin’ny resaka filaminana, fahadiovana, fampandrosoana, fahasalamam-bahoaka sy ny rehetra no hofidiana, hoy ny filoha lefitr’ity rafi-panjakana ity, Gérard Ramamimampionona. Fa indrindra koa mba ho ben’ny tanàna mendrika ny atao hoe Raiamandreny no hofidiana ao anaty filaminana sy fahamarinana. Mikasika ny resaka taom-baovao Malagasy, hoy izy, dia isan’ny antom-pisian’ny CFM ny hamaha io fifandroritana io. tsara jerena miaraka ny ara-tantara sy filozofia niaingana mba hanana taom-baovao iraisana ny Malagasy. Aleo ilay vato tany Toamasina no mizara roa fa ny firaisankinam-pirenena tsy hizara, hoy izy. Manahirana ny maheno hoe samy ho tratry ny ho avy rehefa volana janoary kanefa ny an’ny sasany martsa dia efa misy ho avy indray na septambra. Misy ny fiainana anatiny sy ivelany eo amin’ny zanak’olombelona, hoy izy, ka iny vato nizara iny mety ho vokatry ny tsy fitandremana tokoa fa etsy an-kilany anefa dia ny Malagasy mino ny razana, araka ny tenin’ny Ombalahibemaso hoe, mitoetra ao aminao foana ny fanahiko ry Laidama, hoy hatrany ity mpahay fiarahamonina ity. Ny hirariana dia mba tsy hanaovana resaka lavabe eto amin’ny firenena anefa iny, hoy izy, fa mba hiombona ny Malagasy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT