Politique

Nisokatra ny fambolen-kazo nasionaly Horakofantsika ala i Madagasikara, hoy Rajoelina


  • Alatsinainy 04 Martsa 2019

Ho rakotra ala i Madagasikara. Io no teny filamatry ny taom-pambolen-kazo 2019-2020 nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tany Analameva-Antsirinala Moramanga ao amin’ny tanin’ny Fanalamanga ny sabotsy 2 martsa teo.

 

 

 Hamerina an’i Madagasikara ho Nosy maitso indray no tanjontsika ka tsy maintsy mamboly hazo avokoa ny olom-pirenena tsirairay. Hamboly hazo amina velaran-tany 40.000ha isan-taona isika hahafahana manatratra izany tanjona izany. Ho havokavoky ny Ranomasimbe Indiana i Madagasikara afaka dimy taona, raha mifarimbona mamboly hazo 10 avy ny isam-batan’olona.  Hampitomboina ihany koa ny tetibolan’ny minisiteran’ny tontolo iainana hahafahany manamafy ny fanaraha-maso ny fiarovana ny tontolo iainana sy hampitombo ireo zanakazo hovolena isan-taona. Hitatra amina faritra maro ny « Fanalamanga », hahafahana manatratra ny tanjona Madagasikara Nosy maitso indray. Efa voatily ireo faritra hanitarana ny fambolen-kazo eto Madagasikara. Hisy ny fandefasana ny « Drônes » fitaovana manidina afaka hamafy zanakazo amin’ireo toerana lavitr'Andriana sy saro-dalana, hahafahana mandrakotra ny ala amin’ny faritra rehetra manerana an’i Madagasikara. Tsy maintsy ampiroboroboana ihany koa ny fampiasana ny Ethanol izay mba hampihena ny fampiasana ny arina fandrehitra. « Raha mitsinjo ny ho avy ianao dia mamboly hazo androany mba hialokalofan’ny taranaka faramandimby », hoy ny filoham-pirenena. Hamerina ny nopotehina izany isika, izay tato anatin’ny 10 taona no tena nihazakazaka noho ny trafika samihafa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT