Mitohy hatrany ny kajy maloton’ny fanjakana HVM mba hanamorana ny fitazonam-pahefana.
Tonga eny ifotony ny fomba mamohehatra. Ny sefom-pokontany indray izao no anaovana tery vay manta ka soloina olon’ny HVM.
Nitrangana savorovoro teo anivon’ny biraon’ny fokontany Andranomena Boriborintany faha-6 Ambohimanarina ny talata 24 oktobra hariva noho ny didy nilatsaka avy amin’ny minisiteran’ny Atitany manolo ny sefom-pokontany, Ramatoa Aina sy ny lefiny, Raymond. Feno vahoaka ny teo an-tokotanin’ny biraom-pokotanin’Andranomena izay tsy nanaiky ny hanalana ireo olona ireo fa tena mahay miasa sy mamihoditra amin’ny fiarahamonina sy tamin’ny antoko TIM Andranomena izy mianadahy ireo. Tsy nipoitra teny an-toerana ireo voatendry hisolo toerana nahita ireo vahoaka marobe nanemitra ny fokontany teny Andranomena. Nirotsaka an-tsehatra nandamina ny raharaha ny depiote Rasoanoromalala Horace ka niara-nidinika tamin’ny sefom-pokontany voalaza sy ny lefiny ary niroso tamin’ny fanazavana sy ny fifampiresahana tamin’ny vahoaka nivory teo ivelan’ny biraom-pokontany avy eo ho fandaminana sy fanarahana ny fitsipika ary dia niravona ihany satria nandray ny hafatra sy ny toromarika nataon’ity depiote ity ireo vahoaka na dia mafy tamin’izy ireo aza ny zava-misy. Marihina fa niara-niasa tamin’ny depiote Horace sy ny antoko TIM sy ny antoko TIM Andranomena tarihan’i Solofo tamin’ny fampandrosoana ny tanàna ireo olona niharan’ny didy fanesorana ireo ka nahafapo ny vahoakan’Andranomena. Anisan’ny toerana notsidihan’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana volana maro lasa izay ity fokontanin’Andranomena ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.