Nanao fihaonambe tetsy amin’ny Carlton Anosy ny mpiasam-panjakana omaly.
Fihaonambe faharoa io taorian’ny teny amin’ny Espace Dera. Nampanantena izahay, hoy Atoa Ratoejanahary Maharavo na i Doudou, iray amin’ireo mpiara-mitantana ny «Cellule Inter-ministérielle des Agents de l’Etat», fa hanomboka amin’ity andron’ny 2 jolay ity (omaly) ny fitokonamben’ny mpiasam-panjakana manerana ny Nosy. Raha ny marina, hoy izy, dia andeha tsikelikely izany ka amin’ny faha-11 jolay no ho fotoan-dehibe hiarahan’ny rehetra manerana ny Nosy manatanteraka izay tena fitokonam-be izay. Fa ny talata 3 jolay (anio) aloha dia hanatevin-daharana ny tolona hataon’ny SEMPAMA etsy amin’ny «Rue de la liberté» izahay rehetra. Nohazavainy fa manomboka eo amin’ny lalana anelanelan’ny «Plan» Anosy sy ny hopitaly HJRA mandrapahatonga eny amin’ny elanelan’ny Lycée LMA sy ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana ity antsoin-dry zareo hoe «Rue de la liberté» ity. Mankahery anareo SEMPAMA izahay, hoy izy, ary aza matahotahotra izany fa ny firaisankinantsika tsy ho resin’ny herisetra na sotasota.
Tolona no nahatonga an’ireo eo amin’ny fitondrana ankehitriny amin’ny toerany, hoy izy, ka nahoana isika raha mitolona ankehitriny dia ampitahorina sy anaovana herisetra amin’ny fanapahana karama sy famindran-toerana tsy an-drariny ? Mila fahavononana isika mpiasam-panjakana, hoy ity administratera sivily ity, satria raha ny marina tsy dia tahotra no misy fa be kajikaky loatra isika. Hatambatra ny hery manomboka eto, hoy izy, ka fitakiana tokana no hitambaran’ny mpiasam-panjakana rehetra. Ny vahoaka Malagasy rehetra dia miandrandra antsika mpiasam-panjakana sisa, hoy Atoa Ratoejanahary Maharavo, ka aoka isika ho mendrika izany ka andao hivondrona. Aza mety rahonana izany fa “tsy nahazo fanjakana ireo raha tsy nanongam-panjakana ka raha isika no tsy ahaizany miaina eo dia hovakiantsika bantsilana amin’ny radio avokoa ny dosien’ireo tsirairay avy”.
Nampitondra hafatra ho an’ireo Lehiben’ny Faritra am-perinasa ity administratera sivily, anisan’ny tale iray ao amin’ny ministeran’ny fanapariaham-pahefana ity handraisany fepetra ireo izay minia mampitahotra mpiasam-panjakana satria eo ambany fiadidiany. Nambarany fa aorian’ny an’ny SEMPAMA dia hihetsika koa ny eny anivon’ny Oniversite, mpianatra sy mpampianatra mitambatra, ny 5 jolay izao. Dia miroso tsimoramora koa ny fivorian’ny SMM ny 6 jolay ary dia ny sisa manaraka ihany mandrapahatongan’ny 11 jolay hanaovan’ny mpiasam-panjakana manerana ny Nosy fitokonam-be.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.