Araka ny tondrozotra dia miala amin’ny andraikiny 60 andro mialoha ny datim-pifidianana ireo mpikambana anaty governemanta na filohana andrim-panjakana manam-pikasana hilatsaka hofidiana.
Manampy izay dia tsy maintsy mametra-pialana amin’ny andro ilazan’ny CES amin’ny fomba ofisialy ny maha kandida azy ireo tomponandraiki-panjakana ireo. Amin’ny 03 mey moa no daty mety hanaovan’ny CES fanambarana ny lisitr’ireo kandida mahafeno ny fepetra ka afaka mifaninana ho filoham-pirenena. Raha anisan’ireo voatazona i Edgard Razafindravahy dia amin’io daty io izany ny tenany no mandao ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo. Izany hoe herinandro mahery sisa ananany hijanona amin’ny toeran’ny PDS. Raha ny lalàna dia ny lefitry ny PDS no miakatra ka misolo azy saingy tsy manana lefitra i Edgard rehefa tsy maintsy misy ny fanendrena vaovao. Efa samy manomana izay hasolo an’i Edgard Razafindravahy avokoa ankehitriny ireo antoko akaiky ny fitondrana sy ireo mpitantana sy mpiasan’ny Kaominina. Raha nivory ireto farany dia namoaka fehin-kevitra fa tokony ho amin’ny ekipan’ny Kaominina ihany no akana olona tendrena amin’ny toeran’ny PDS-n’Antananarivo.
Marihina fa ny “Préfet de police” no manolotra anaran’olona heveriny fa mendrika hisahana io andraikitra io amin’ny Ministeran’ny atitany, anjaran’ity farany kosa no manao ny fanendrena ara-panjakana. Andry iankinan’ny fanjakana anefa Antananarivo amin’ny maha renivohitra ara-politika sy ara-panjakana azy ka mikasa hampiasa fahefam-panjakana indray ny FAT hametraka olona amin’io toerana solon’ny Ben’ny tanàna io. Ny anaran’i Nihry Lanto Andriamahazosoa, mpandrindra ankapoben’ny fiadidiana ny tetezamita, no efa mandehandeha eny an-dapa eny amin’izao. Tambin’ilay fanohanany an’i Edgard Razafindravahy amin’ny fifidianana filoham-pirenena izay nanaovany fanambarana ny talata teo no ahazoany io toerana io.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.