Ben’ny tanàna nomena 2 tapitrisa Ariary
Nivoaka ihany ny nafenina.
Nabaribarin’ny HVM ny fizarana vola ho an’ireo Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina nanome vato 100% ity antoko eo amin’ny fitondrana ity tamin’ny fifidianana Loholona farany teo.
Nandritra ny fampielezan-kevitra tamin’ny desambra 2015 no efa nandeha ny feo fa tambazana vola ireo mpifidy vaventy handatsa-bato ho an’ny HVM, saingy tsy nisy porofo moa tamin’izany.
Tany Sambava dia ny Senatera HVM, Befitoto Angelin, voafidy tamin'ny anaran’ny lehiben’ny Faritra SAVA Velomaro Faustin mihitsy no mirotsaka mizara ny vola, nandritra ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona, natao ny zoma 19 febroary teo. « Cadeau » moa no voambolana nampiasain’izy ireo tamin’izany saingy nampahatsiahy ny resaka niely tamin’ny 29 desambra 2015 fa androm-pifidianana Loholona io tranga io.
Ireo Ben’ny tanàna sy ny Mpanolotsaina nandatsa-bato 100% ho an’ny HVM no notolorana ny vola. Niisa efatra ireo Kaominina nahazoan’ny HVM vokatra 100% tao anatin’ny Distrikan’i Sambava, ka nomena vola valo tapitrisa Ariary, izany hoe nahazo roa tapitrisa Ariary isanisany avy mba ho « cadeau ».
Niteraka resabe ity fizarana vola ankarihary ity. Nisy ny nametra-panontaniana hoe raha tsy roa tapitrisa Ariary izany dia tsy nifidy ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.