Mpanao politika anisan’ny mahery fiteny eto amin’ny Firenena i Nicolas Randrianasolo, depiote voafidy avy any Betroka.
Hahafantarana azy ny fanohanana ny fanjakana HVM, ary mbola nohamafisiny tamina onjam-peo iray omaly fa manohana 100% an’i Hery Rajaonarimampianina ny tenany. Maro kosa anefa ireo olona tena tsy levon’ny vavoniny ao anaty fitondrana ao, ka ny 75%-n’ny mpikamban’ny governemanta no tokony hovaina, raha ny fanehoan-kevitra efa nataony. Mba te ho lasa minisitra ihany koa ve ny tenany ho valimbabena amin’ny fanohanany ny HVM ? Sa efa kajy politika hafa mihitsy ny fanaratsiana hataony, ka hanononany anaran’olona manokana mihitsy ? Henjana ny fanivaivany an’i Onitiana Realy minisitry ny mponina, indrindra fa manoloana ilay fidinana ifotony tany Antsakabary nihaona tamin’ireo vahoaka lasibatry ny doro trano maro be tany an-toerana. Zesita politika ny an’i Onitiana Realy, fa tsy mahay ny asany iny, hoy i Nicolas Randrianasolo. Mandeha any Antsakabary no hainy. Mba mandehana any Betroka, hoy izy. Hampanaovy “face à face” izaho sy Onitiana Realy, izay toa mila ady sy manambany tanteraka ny minisitry mponina ankehitriny ho tsy mahay ny asany. Nokianiny koa ny tetikasa “Vatsin’ankohonana” hitsinjovana ny mponina marefo, indrindra fa ny any Atsimon’ny Nosy, iarahana amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny governemanta Malagasy. Tsy fantatr’i Nicolas Randrianasolo sa iniany hikipiana fa tetikasan’ny fanjakana tohanany sy hireharehany fatratra izany ? Noharatsiany ihany koa ireo masoivoho Malagasy any ivelany, izay nambarany fa tsy mahay ny asany, ary efa tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana ny ankamaroany. Tsy adinony rahateo ny manaratsy sy manambany ny filoha teo aloha rehefa mahazo mikro. Aiza ho aiza anefa ny fahaiza-manao na ny tanjaka ara-politika ananany manoloana ireo olona ataony tsinontsinona ireo ? Aiza ho aiza ny tenany eo anatrehan’i Marc Ravalomanana na Onitiana Realy sy ireo hafa ? Toa ny fisolelahana amin’ny mpitondra sy ny fanaovana mpikarama an’ady politika aloha no tena talentany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.