Politique

Nicolas Randrianasolo « Halaviro ny fanenjehana ara-politika »


  • Alatsinainy 25 Febroary 2019

Nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra farany teo ny didim-panjakana lah. 2019-189 entina hamerana ny isan’ny solombavambahoaka ho 151 sy ny fari-pifidianana manerana ny nosy.

 

 

Rariny, hoy ny solombavambahoaka teo aloha, Nicolas Randrianasolo, raha tazomina ho 151 ny isan’ny depiote eto Madagasikara satria tafiditra ao anatin’ny politikam-pitsitsiana ataon’ny fitondrana  ny fanapahan-kevitra hitazonana ny isan’ireo solombavambahoaka toy ny teo aloha. Porofo iray, ny fampihenana ny mpikambana eo anivon’ny governemanta. Mbola ao anatin’ny fandaminana ny fitondrana, izay mandalo fahasahiranana ihany, ka raha hampitombo ny resaka isa eo amin’ny parlemantera dia mety hanasarotra ihany satria hitombo indray ny tetibola hampiasaina kanefa mampihena ny fandaniambolam-bahoaka no imasoana. Notsindrin’ity depiote teo aloha ity fa amin’izao fanovam-pitantanana izao dia ilaina ny hisian’ny fitoniana ka tokony hohalavirana ny fanenjehana ara-politika mba hahafahana manatanteraka fampandrosoana. Ho azy, ny olona notohanany dia resy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy hiady amin’ny fitondram-panjakana ny tenany ary nampatsiahiviny hatrany ny lahateny nataony tamin’ny fanokafana ny fe-potoam-puiasan’ireo solombavambahoaka tamin’ny taona 2014 fa avela hitondra izay mitantana mba hahafahan’ny firenena ho marin-toerana. Vitsy an’isa no mahazo tombontsoa raha misy korontana eto amin’ny firenena satria ny vahoaka eny ifotony no hizaka ny vokany fa tsy ny mpanao politika, hoy hatrany ny fanazavana.

.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT