Politique

Niakatra indray ny vidin-tsolika Velon-taraina ny mpitatitra


  • Alarobia 08 Jona 2016

Niakatra indray ny vidin-tsolika. Ny alin’ny alatsinainy nifoha ny talata no nitrangan’izany, fiakarana izay efa fanin-telony hatramin’ny fiandohan’ny taona 2016 raha fanin-droany kosa hatramin’ny nitondran’ny governemanta Solonandrasana Olivier.

Niakatra ho 190 Ariary ny iray litatra  ho an’ny lasantsy, 140 Ar ny gazoala raha 120 Ar kosa ho an’ny solika fandrehitra. Tsy nisy izay tsy nitaraina araka izany ny mpitatitra, indrindra fa ireo  mpamily fiarakaretsaka. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa  anisan’ny antony mahatonga azy hijanona amina toerana iray miandry olona  ny halafosan’ny vidin-tsolika. Ankehitriny anefa hoy izy ireo miakatra indray ny vidin-tsolika, ny mpandeha  efa mihena an-toerana toy ny fen’antitra zara raha misy telo isan’andro…Ny hahafoana ny asanay mihitsy angamba no tanjon’ny fanjakana, hoy hatrany izy ireo. Ho an’ireo fiara fitateram-bahoaka kosa indray dia nambaran’ireo mpamily sendra ny gazety Tia tanindrazana  fa gejaina mafy ny taksibe tsy hanao taingim-be  nefa ny vidin-tsolika tsy mitsaha-miakatra. Tsy maintsy mitady vola hamenoana ny banga izahay, hoy izy ireo satria ny kaoperativa  tsy mahazo fanampiana ka tsy hita intsony izay vahaolana. Nanambara moa izy ireo fa tokony hojerena ny fiakaran’ny saran-dalana raha mitohy izao fiakaran’ny vidin-tsolika izao.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT