Politique

Niaka-pofona ny Filoha « Faizo, gadrao, ireo mivarotra vary lafo »


  • Sabotsy 20 Janoary 2018

Anisan’ny anton-dian’ny filoham-pirenena tany Toamasina, araka ny nambarany, ny fanaraha-maso ny fanarenana an’i Toamasina taorian’ny rivodoza “AVA” farany teo izay nanimba tanàna tamin’ny 80%.

Nisy ny fijereny ny fanarenana ny lycée Jacques Rabemananjara, ny hopitaly be, ny hopitaly manara-penitra Morafeno, ny tobin’ny zandary ary ny tobin’ny miaramila izay nitondra takaitra mafy noho i “AVA” farany teo. Nojereny akaiky koa ny fanarenana ny tambajotrana herinaratra izay nisy fahasimbana 90%. Araka ny nambaran’ny Jirama dia efa tafarina amin’ny 80% izao nefa nanome baiko hentitra ny filoha fa tsy maintsy tafaverina 100% ny famatsiana herinaratra ho an’i Toamasina sy ny manodidina azy ny alarobia izao. Teo koa ny fijerena ny resaka vidim-bary izay naharaisan’ny fiadidian’ny repoblika fitarainana maro ihany koa, ka nilazany ampahibemaso fa “faizo, gadrao, ireo mpivarotra, mpamongady, mpanafatra, manararaotra ny fahoriam-bahoaka mampiakatra ny vidim-bary”, izay baiko nidina ho an’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana sy ny ekipan’ny “task force” ihany koa. Nomarihan’ny filoha fa ampy tsara ny vary misy eto na ireo vokatra anatiny na ireo nohafarana ka ity farany dia mahatratra 70.000 taonina izao, izay mbola miampy ireo vary vao tonga eo anivon’ny seranan-tsambo 17.500 taonina an’ny “Phoenix” sy 8.800 taonina an’ny “Enac” ary ny 56 kaontenera an’ny orinasa Silac izay misy 525 lasaka isaky ny kaontenera. Misy koa ireo vary hihazo an’Antsiranana sy Mahajanga, anaty kaontenera, ary Toliara izay hahazo vary misaritaka 4.500 taonina. Ankoatra ireo dia nisy ihany koa ny fitokanana ireo “vaza-bita” teo anivon’ny seranan-tsambo nataon’ny filoha sy ireo delegasionina niara-dia taminy, toy ny Centre Medical de Diagnostic manara-penitra entina hitsaboana ny mpiasa sy ny mpiara-miombona antoka aminy ary ny vahoaka ao Toamasina mila azy ireo. Teo koa ny fitokanana ny fiantsonan’ny sambo madinika mpanao zotra manodidina an’i Madagasikara sy mianavaratr’i Toamasina ary ny birao vaovaon’ny kaomisarian’ny polisy sy ny “operator building” an’ny orinasa Smmc eo anivon’ny seranan-tsambo. Nisy koa anefa ny fametrahana ny vatofehizoron’ilay ivontoerana ara-kolontsaina sy fampianarana ny teny anglisy, Port Academy Center Toamasina, izay hovitaina ao anatin’ny 8 volana miaraka amin’ny Colas sy ny Rafano Architecte.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT