“Avelao ny vahoaka hitsara, avelao hilatsaka daholo dia ho hitan’ny tantara. Tany demokratika sy repoblikana i Madagasikara. Zon’ny tsirairay ny milatsaka sy tsy milatsaka», hoy i Camille Mektoub, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert raha nandray fitenenana tetsy amin’ny Kianjan’ny Magro izy ny sabotsy teo.
«Avelao Ravalomanana hilatsaka ka izay mahasahy azy milatsaha ihany koa», hoy ihany ity solombavambahoakan’i Mananjary teo aloha ity nanohy ny teniny. Misy ny mivoy fa tokony hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka ny filatsahan-kofidian’i Marc Ravalomanana, hoy izy. Raha izany anefa no atao dia manafoana avy hatrany ny sori-dalana sy ny lalàmpanorenana satria samy tsy ahitana izany ao anatin’ireo tahirin-kevitra roa ireo. Torak’izany ny momba ny hoe samy tsy mahazo mirotsaka na Ravalomanana na Rajoelina voizina amin’ny hoe : “Ni…ni”.
Momba ny andininy faha-45 izay miteraka resabe moa dia nambaran’i Camille Mektoub fa tamin’ny 2009 dia navoakan’i Andry Rajoelina avy hatrany ireo mpanao politika nigadra sy izay noheverina fa gadra politika. Heverin’i Andry Rajoelina fa tsy marim-pototra ny fitsarana sy ny didim-pitsarana tamin’izany kanefa dia fitondrana lanim-bahoaka no teto.
Nijoro vavolombelona moa ny tenany nilaza ho nahita an’i Voninahitsy Jean Eugène sy Pety Rakotoniaina izay samy navotsotra, naka ny vary sy lafarina an’arivony taonina, tao amin’ny seranantsambon’i Toamasina, an’ny orinasa Tiko. Na inona lazaina na inona, hoy ihany i Camille Mektoub dia “fanonganam-panjakana no nisy teto tamin’ny 2009”. Noho izany, “izay tapak’io fitondrana misy amin’izao io dia tsy marim-pototra sy tsy manankery daholo”. Ankoatra izay dia nambarany fa tsy anjaran’ilay mpanongam-panjakana no milaza fa tsy mahazo milatsaka na mahazo milatsaka eto satria hoe misy didim-pitsarana. Tsy marim-pototra izany, hoy i Mektoub izay nanamarika fa mialoha ny hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena dia tokony hofantarina aloha ny marina rehetra.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.