Politique

Neny sy ny depiote Rossy Miara-misalahy amin’ny fampandrosoana


  • Alarobia 15 Febroary 2017

Tsy tokony ho sakana amin’ny fampandrosoana ny firenena ny tsy fitovian-kevitra ara-politika eto amintsika,

 ary azo tanterahina tsara ny fampihavanam-pirenena raha jerena amin’ny fihetsika nasehon’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny depiote roalahy voafidy tao amin’ny boriborintany faha-4 FélixHYPERLINK "https://m.facebook.com/felix.randria.5?refid=52&_ft_=qid.6386930538824618893%3Amf_story_key.-4996216270995059305%3Atop_level_post_id.10209445876081316&__tn__=%2As" Randriamandimbisoa sy Paul Bert Rahasimanana na Rossy, izay niara-nitsidika ny asa natao teny Tsarafaritra Tsimbazaza. Avela any ny adilahy politika sy ny vava fa asa izay mahasoa ny vahoaka no atao, ka amin’ny fifidianana mifampitady indray, hoy ny depiote Rossy. Rehefa samy resy lahatra amin’ny tombontsoa iraisana ny rehetra dia mandeha ho azy ny asa, ary afaka mifampihaino sy miady hevitra tsara. Misy kosa anefa ireo tsy misaina afa tsy ny ho any am-paosiny ka mitady ny fomba rehetra hitantana ireny vola natokana ho an’ny fampandrosoana ny tanàna, hany ka mahavita manao eson-teny sy vava be, ary mimenomenona andro aman’alina anaty haino aman-jery mihitsy, toy ilay solombavambahoaka Naivo Raholdina, voafidy teny amin’ny boriborintany faha-5. Re mantsy fa izy indray ankehitriny no toa mikendry sy manembantsembana ny asa fampandrosoana noho izy mahatsapa tena ho lasa anjorom-bala, kanefa te hitantana sy hifandrimbona amin’ny vola efa natokan’ny fanjakana ho amin’ny fampandrosoana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT