Faly aho, tena faly aho fa tonga maro ianareo, hoy i Neny Ravalomanana nanoloana ny vahoaka tonga maro sesehena tao amin’ny Kianjan’i Tsarasaotra Antsirabe ny sabotsy teo.
Izao no porofo fa tsy mahafoy an’i Dada sy i Neny ianareo, hoy izy. Tsy mba mahay mihira ny tenako fa mizara tsikitsiky ho anareo ihany amin’ny maha Reny ahy. Manana fo onena ny tenako ka maniry antsika mba hifankatia sy hiaraka hiasa mba hananantsika firenena vanona. Na tsy navela nilatsaka aza ny tenako dia io ny Dr Robinson hitsabo ny firenentsika amin’ny lafiny rehetra, hoy i Neny. Entintsika am-bavaka sy ankinintsika amin’Andriamanitra izy satria Izy no mandahatra ny zavatra rehetra. Mivavaha ihany koa ho an’ny fiverenan’i Dada fa momba antsika Andriamanitra. Feno fahavitrihana hatrany izy nitafa tamin’ny mponina ary nanolotra ny kandida amin’ireo rehetra izay sendra azy. Nanentana ny Malagasy rehetra koa ny tenany mba hahay hifanampy sy hifanome tanana satria «tolona ho an’ny tanindrazana sy ny taranaka izao atrehintsika izao”.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.