Politique

Neny kandida Matoky ny Magro


  • Zoma 03 Mey 2013

Matoky ny zanak’i Dada fa hoekena ny filatsahan-kofidian’ i Neny. Tsy maintsy ho ENY ny valiny, hoy i Viky tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly, fa raha tsy izany dia miverina ny 2002.

 Eo an-tanananareo CES no hampivaha ny krizy na tsia tahaka ilay nanamasinanareo ilay fanonganam-panjakana, hoy ny CT Randriamamiarizafy Ignace. Mila manarina ny hadisoany ny HCC-CES, hoy Ralaimampisainarinony Manoela nanamafy. Vao ratsy famindra eo dia ho ratsy ny tantara, hoy ity farany. Fa nahazo valin-kafatra tetsy Behoririka avy hatrany koa ny tenin’i Andry Rajoelina milaza fa tsy nanaja fifanarahana ny vadin’ny filoha teo aloha. “Ianao no tsy manaja ny sonianao hatrizay”, hoy i Manoela, koa rehefa mamparary anao i Neny dia i Dada indray ny anay. Nampian’ny CT Rarivorazo Fenomanjato fa ilay anarana Ravalomanana mihitsy no atahoran’i Andry Rajoelina ary tsy mety sy ratsy ho azy avokoa ny tranga ankehitriny nefa izy te hibodo fahefana mafy. Alohan’ny hitenenanao ny hafa, hoy ny CT Randriamamiarizafy Ignace, dia teneno ireo akamanao hanara-dalàna satria i Neny tsy mbola namory vahoaka na nitety faritra. Iza no mandika lalàna sy manampatra fahefana eto amin’ny firenena ?

RHR

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT