Politique

Nenifara Antenaina Marie Georgette Sokafy ny MBS hampifandanja ny vaovao henoina


  • Alatsinainy 13 Febroary 2012

Efa feno telo taona katroka tamin’ny 26 janoary teo ny nikatonan’ny radio sy televiziona MBS teny Anosipatrana noho ny fandoran’ny mpanao fihetsiketsehana notarihan-dRajoelina nanohitra ny fitondrana Marc Ravalomanana tamin’io «Alatsinainy Mainty» 26 janoary io.

 Efa ho feno telo taona tsy ho ela ihany koa ny nanakatonan’ny fitondrana FAT ny Radio MADA FM 100.8 ary tsy mbola naverina hisokatra ka hiasa an-kalalahana ankehitriny miaraka amin’ireo onjam-peo hafa, toy ny Radio Fahazavana na dia efa sesilany aza ny fitakiana ny tokony hamahana azy ireo ho fanajana izay voalazan’ny tondrozotra. Tokony hosokafana mihitsy aloha satria tsy nakatona tahaka ny MADA sy Fahazavana ny MBS, hoy ny mpitolona eny amin’ny Kianjan’ny finoana tahaka an’i Nenifara na Rasoafara Antenaina Marie Georgette sy ireo namany ao amin’ny Vehivavy TIM ary efa maro ny vonona amin’ny fifanomezan-tanana amin’izay fampitaovana ilaina amin’izany fa efa tena mankaleo tanteraka ny fafy lainga ataon’ny onjam-peo sy ny televiziona mifandray tendro amin’ny fitondrana tetezamita. Mila fifandanjan-kery ny vaovao henoin’ny vahoaka mba tsy hihinanana am-bolony sy hisian’ny tian-kano sy tsy tian-kano, hoy i Nenifara fa izay no tena antoky ny fisian’ny demokrasia dradradradraina isan’andro.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT