Politique

Nelson Mandela Day Nomarihina tamin’ny fizarana fitaovam-pianarana


  • Sabotsy 17 Desambra 2016

Tohin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’i Nelson Mandela na ny Nelson Mandela Day izay natao ny 18 jolay 2016 teny amin’ny Lisea Ampasampito,

dia nanolotra fitaovana fianarana ho an’ny mpianatry ny lisea teknika ny kabinetran’ny vadin’ny filoham-pirenena sy ny masoivoho Afrikanina Tatsimo ary ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Mpianatra miisa 1893 avy eto Antananarivo sy avy amin’ny Distrikan’Ankazobe, Ambohidratrimo, Miarinarivo, Manjakandriana ary kaominina Mantasoa no misitraka izany. Natao tany Ankazobe ny hetsika ny 14 desambra lasa teo, tany Mantasoa ny 15 desambra ary tany Miarinarivo no namaranana ny lanonana omaly Zoma 16 desambra. Nandritry ny lahateniny dia nilaza ny solontenan’ny Masoivoho Afrikanina Tatsimo fa ilaina ny fanohanana ny mpianatra satria izy ireo no ho mpitondra firenena atsy ho atsy.

Nangonin’i Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT