Politique

Ndremanjary Jean André Ministera hafa no nirian’ny fony


  • Zoma 25 Novambra 2011

Minisitra avy amin’ny TIM Raharinaivo nandao ny toerany voalohany noho ny fahatongavan’ny ekipan’i Beriziky i Ngolo Gilbert izay nisahana ny departemantan’ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa.

 Omaly izy no nanao veloma ireo mpiara-miasa aminy teo anivon’ity ministera ity tetsy Ampefiloha. Nandray ny andraikitra maha minisitra vaovao azy kosa i Ndremanjary Jean André, na Iaban’i Kemba vao vita ny famindram-pahefana. Ity farany izay nanambara fa tohizana ny fanavaozana ny fampianarana teknika izay natomboky ny minisitra teo aloha. Tsy ao anatin’ny herintaona faharetan’ny tetezamita no hamitana izany, hoy izy saingy tsy azo avela kosa ny efa am-pelatanana dia ny fitazonana ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa ho ministera mahaleotena fa tsy ankinina amin’ny “Direction Générale” any amin’ny ministera hafa intsony. Nampiany fa andry iankinan’ny fampandrosoana ny toekarena ny fampianarana teknika izay mamokatra teknisianina. Nahitsy koa ny minisitra vaovao nilaza fa tsy hanao izany resaka “intervention” izany mihitsy ny tenany amin’ny fanadinam-panjakana. Namoaka tsiambaratelo ihany koa moa i Iaban’i Kemba nandritra ilay famindram-pahefana ka nilaza fa ministera hafa no nirian’ny fony saingy tsy izay no fandaharan’ny lehibe dia nekeny.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT