Politique

Navoaka i Jao Jean Mihorohoro sahady Antsohihy


  • Sabotsy 03 Martsa 2012

Nihazakazaka ny raharaha politika ao Antsohihy ao tato anatin’ny tapa-bolana izao.

 Naverin’ny FAT amin’ny toerany ny Ben’ny tanànan’Antsohihy, izay olon’i Jao Jean, rehefa nosoloana PDS araka ny didim-pitondrana nosoniavin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Omer Beriziky. Omaly indray dia navoaka ny fonja (hopitaly) nitazonana azy vonjimaika tao Mahajanga ny vatan-tenan’i Jao Jean. Resaka fanodinkondinana zaza tsy ampy taona miharo fanolanana no niampangana azy. Tranga niseho tamin’ny paka 2011 tao Antsohihy. Efa-bolana lasa izay no nisamborana azy tany an-toerana ka nidirany am-ponja vonjimaika tao Marofoto Mahajanga avy eo nifindra tao amin’ny hopitalin’Androva Mahajanga fa hoe marary izy ka mitsabo tena. Mihorohoro sahady ny ao Antsohihy vao nandre omaly fa nahazo fahafahana, na vonjimaika aza, i Jao Jean. Ho an’ny any an-toerana mantsy dia antony politika tsotra izao no namoahana azy, mba hanarina ny fahavoazan’ny FAT amin’iny Faritra iny.
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT