Politique

Nathalie Rabe « Tokony hametra-pialana Rakotonirina Jean Claude »


  • Zoma 05 Aprily 2013

Nathalie Rabe, mpandraharaha amin’ny sehatry ny serasera sady mpanao politika ao amin’ny antoko leader Fanilo, efa minisitry ny serasera tamin’ny fitondrana Fat no vahinin’ny Sokela anio.

 Tia Tanindrazana(TT) : Nanao sambo milentika no azo andikana ny fihetsikao satria tsy hita intsony ianao vao tsy minisitra ?

Nathalie Rabe (NR) : Ny tsy maha ao anaty governemanta na koa tsy fisehoana fahitalavitra intsony dia tsy midika izay fa manao sambo milentika. Rehefa tsy minisitra intsony aho dia niverina nitantana ny orinasako sady nitana andraikitra lehibe amin’ny antoko misy ahy, filoha lefitry ny Leader Fanilo ny tenako ankehitriny. Mpikambana amina fikambanana mpanao asa soa miasa amin’ny sehatry ny ankizy sy vehivavy maromaro koa ny tenako eo amin’ny sehatra ara-tsosialy.

TT : Fony ianao minisitra dia namoaka alalana fanokafana onjam-peo izay naaton’ny minisitra am-perinasa. Voalaza fa misy tsy fahaiza-miasa tao ?   

NR : 9 volana no nitantanako io ministera io izay tsy nanana birao akory raha nandray asa izahay ka tsy maintsy namoronana. Betsaka ihany koa ny zava-bita, ka anisan’izany ny fandefasana “vaovaom-paritra” ao amin’ny Tvm. Tena tiako naseho tamin’ny alalan’io fa iray ihany isika Malagasy manoloana ny fikasana fampisaratsaraka amin’ny resa-piaviana nataon’ny sasany. Ny vaovaom-paritra no ahalalan’ny vahoaka ny zavamisy any amin’ny faritra isanisany. Ankoatra izay dia sehatra ho an’ny mpanao gazety avy any amin’ny faritra koa io satria tsy ianareo miasa eto Antananarivo ihany akory no atao hoe mpanao gazety. Zava-dehibe tontosainay koa ny fampiharana ny demokrasia tao amin’ny Tvm sy ny Rnm. Tamin’ny andronay angamba vao nisy izany fisokafan’ny Tvm sy Rnm malalaka tamin’ny hery mpanohitra izany.  

TT : Ary ny zava-misy amin’izao manao ahoana ?

NR : Tsy misokatra ho an’ny Malagasy rehetra ny onjam-peo sy ny fahitalavim-pirenena amin’izao. Haino amanjerim-panjakana ireo ka natao ho an’ny vahoaka fa tsy ho an’ny mpitondra akory.Tokony ho samy afaka miteny malalaka ao daholo ny olon-drehetra.

TT : Te hiteny ve ianao fa nihemotra ny Tvm sy Rnm amin’izao raha oharina tamin’ny andronao ?   

NR : Tsy anjarako no mitsara fa ny mpijery sy ny mpihaino.

TT : Hiverenako ilay fanontaniana teo aloha hoe : nisy onjam-peo nomenao alalana nisokatra nefa nidin’ny minisitra ankehitriny ?

NR : Mitovy zo avokoa ny rehetra amin’ny demokrasia. Rehefa misy onjam-peo omena alalana dia tokony hahazo koa ny sasany fa tsy hijerena resaka politika. Fantatrareo tsara fa tsy nisalasala mihitsy ny CSCA nanakatona ny Mbs Antsirabe tamin’ireny fotoana ireny satria tsy misy intsony ny Mbs raha ny antontan-taratasy momba azy no jerena.Tetsy an-daniny dia nisy koa ny fangatahana fanokafana haino amanjery izay nahafeno ny fepetra takiana ka nomena alalana hisokatra.

TT : Mpanao gazety ny ankamaroan’ny minisitry ny serasera nandritra ny Tetezamita. Zakan’ny mpanao gazety ve ilay andraikitra raha ny fahitanao azy ?

NR : Izao no zavatra tokony ho fantatra aloha,tsy ministeran’ny mpanao gazety akory ny ministeran’ny serasera ary ny minisitry ny serasera dia tsy minisitry ny mpanao gazety na koa an’ny Tvm sy Rnm. Niezaka nanazava izany hevitra izany aho na teo anivon’ny governemanta aza ary izay indrindra no antony nandavako hisahana ny andraikitry ny seraseran’ny governemanta sy ny fiadidiana ny Fat. Samy manana sampandraharaha miandraikitra izany ireo andrimpanjakana ireo. Ny Ministera kosa dia mijery ny fomba fandraharahana eo anivon’ny serasera iray manontolo no asany. Ao anatin’izany ny mpanao gazety, ny “agence de communication” ary ny “société de production audiovisuelle”.Marihina fa fony izaho minisitra dia nangataka taminareo mpanao gazety hampijoroanareo ny holafitra satria tokony hahaleotena ianareo fa tsy miankina amin’ny minisitera.Raha ny fahitako ny amin’izao fotoana izao dia tsy malalaka ianareo mpanao gazety. Ianareo samy ianareo no tokony hifampitsara fa tsy ny minisitra na ny fanjakana no mitsara anareo.  

TT : Resaka politika, nahoana no tsy mbola manana kandida filoham-pirenena ny Leader Fanilo ?  

NR : Androany(omaly) izahay no mandinika sy misafidy ny kandida hatolotray. Ao anatin’ny teny “Leader” dia misy ilay litera “d” midika hoe demokrasia izay tena ampiharin’ny antoko tokoa. Ireo mpikambana (base) dia samy afaka mandefa anaty valopy mihidy ny anaran’ny olona tiany hatolotra kandida. Mamolavola ny toetoetry (terme de référence) ny olona mendriky ny kandidan’ny antoko kosa ny birao nasionaly mpandrindra. Rehefa mahazo ny fankatoavan’ny rehetra io toetoetra io izay vao sokafana avokoa ireo valopy voaray. Jerena avy eo izay olona nisy mpanolotra manakaiky ilay toetoetra.Tokony vita androany(omaly) ireo dingana rehetra ireo izany hoe tokony mivoaka androany( omaly) ny anaran’ny kandidanay.  

TT : Hanana kandida filohampirenena ianareo nefa ny ministra Rakotoniriana Jean Claude aza efa miaraka amin’i Hajo. Vaky koa izany ny Leader ?

NR : Izay ilay demokrasia. Tsy afaka manakana ny safidin’ny tsirairay izahay manjary tsy voahaja ny demokrasia.Tokony hataony mazava fotsiny hoe : Izaho dia manohana kandida ranona ka tsy manohana ny kandidan’ny Leader Fanilo. Tokony hametra-pialana izy ary manao izany an-tsoratra mazava.

TT : Nahoana no tsy roahana ?

NR : Ao anatin’ny satan’ny antoko dia voalaza fa raha misy mpikambana makany amin’ny antoko hafa dia voaroaka ho tsy Leader fanilo intsony.    

TT : Manao ahoana indray ary ny hoavy politikanao ? Ho avy izao ny fifidianana.

NR : Efa 17 taona aho no niditra tao anaty antoko politika.Tsy maintsy misedra fifidianana ny mpanao politika ka ho hitantsika eo izay sokajina fifidianana handraisako anjara.

TT : Teny farany hamaranana izao dinidinika izao ary ?

NR : Manao antso avo ny tenako amin’ny mpanao politika mba hampitony ny sain’ny Malagasy. Hita taratra amin’ny fanaovana poltika any ivelany fa olona marina, tsy mandainga ary mitsinjo ny vahoaka sy ny fiainam-pirenena no tadian’ny olom-pirenena. Torak’izany koa ny eto amintsika. Hita koa izao fa tsy eken’ny Malagasy izany tsimatimanota izany ka mila mandini-tena ny mpanao politika rehetra. Raha tamin’ny volam-bahoaka no nananganan’ny mpanao politika trano, nividianany tany sy fiara eto an-toerana na any ivelany … dia tokony hanetry tena izy hiala amin’ny tontolon’ny politika. Mila olona madio ny vahoaka


Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT