Politique

Nary Ravonjy Izy efa-dahy ihany no afaka mamaha ny olana eto amintsika


  • Alarobia 29 Febroary 2012

Naneho ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena misy amin’izao fotoana ny mpanao gazety Nary Ravonjy, izay tsiahivina fa efa niroso tamin’ny fanelanelanana ireo filoham-pirenena rehetra nifandimby teto amin’ny firenena hatramin’ny taona 2006 no ho mankaty.

 Fanelanelanana izay niainga tamin’ny fianarany sy fandalinany ny teny Anglisy tao amin’ny Centre Culturel Americain Antanimena tamin’izany fotoana, fotoana nandalovan’ilay misionera amerikana iray niresaka momba ny demokrasia teto amintsika. Nisy ny fifaninanana nampanaovin’ity misionera ity taorian’izany ka nilazany tamin’i Nary Ravonjy fa raha tafavoakany soa aman-tsara io fampahafantarana sy fanomezana vahana ny demokrasia io eto amintsika dia vonona ny hanampy an’i Nary Ravonjy ny CCA amin’ny lafiny rehetra. Roso tamin’izany ity mpanao gazety namana ity raha tamin’ny alalan’ny petadrindrina kosa no nampitany ny hafatra. Navoakany teo avokoa ny sarin’ireo filoham-pirenena nifandimby ary nampanarahiny teny hoe : hifandray tanana isika na inona na inona vokatry ny fifidianana eo sy ny hoe hanaja ny safidim-bahoaka isika.

Valo mianadahy tamin’ireo mpifanandrina 14 ihany anefa no azony ny soniany ka nijanona teo ny raharaha. Na izany aza, efa tamin’izany fotoana no nanan-kevitra ny hampihaona ireo filoha efatra mirahalahy nifandimby i Nary Ravonjy mba hamahana ny krizy mety hisy eto amin’ny firenena kinanjo izao no niafarany. Ankehitriny ary mbola manohy io ezaka efa natombony ihany ity mpanao gazety iray ity ka nanambarany fa tsy nisy izay tsy diso teto amin’ny firenena. Tsotra ny vahaolana, hoy izy dia ny fihaonan’izy efatra mirahalahy ihany. Ho an’ny filoha Ravalomanana manokana dia nambarany fa tsy misy antony tsy tokony hahafahany mody eto an-tanindrazana. Iza hoy izy no milaza fa tsy tokony hody eto izy ary iza no sahy manohitra izany ? Nambaran’i Nary Ravonjy ihany ary fa tsotra ny vahaolana dia ny fametrahana ny fahom-po. Takiana ao anatin’izany ny fanetren-tena hananan’ny tsirairay avy izay mianga any amin’ny vahoaka dia hilamina ny firenena.


Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT