Nisy eo ireo efa nahafantatra mialoha, tao ireo tsy nino..saingy iny niaraha nahita iny ny fanovana mpikambana teo anivon’ny governemanta.
Anisan’ireo « voadaka » ny minisitra nosokajiana fa matanjaka satria nisahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena no sady hita ho mafana fo tamin’ny hetsiky nyantokon’ny fitondrana dia i Narson Rafidimanana izany.Na ny mpikambana HVM sasany aza dia gaga sy talanjona hoe : fa nahoana no noesorina i Sôna ?Hita anefa hoe minisitra nihetsiketsika sy niasa izy ary tena niaro izao fitondram-panjakana izao tamin’ny fomba rehetra.Re avy eo fa hoe mety ho tendrena amina toeana ambony any Bruxelles ny tenany, izany hoe mety hato masoivohon’i Madagasikara eo anivon’ny vondrona eoropeanina.Izay tokoa ve sa fampanantenana nomena azy mba tsy hampitabataba azy taorian’ny fahaverezan’ny sezany izany ? Re ihany koa fa mety ho lasa masoivohon’i Madagasikara any Paris-Frantsa Rtoa Atallah Béatrice ka izay no nanesorana azy tao amin’ny raharaham-bahiny.Tsara ho marihana fa izy dia olona anisan’ny tena mifandray akaiky amin’ny filoham-pirenena ary efa niara-nias ataminy hatry ny ela.Mpandraharaha teo amin’ny sehatry ny lodsia tany Toamasina i Narson Rafidimanana mialohan’ny nidrany teo amin’ny sehatra politika.Re araka ny fitrandrahana vaovao tetsy sy teroa fa avy ao an-dapan’Iavoloha no nipoiran’ny hevitra hanala azy tao amin’ny governemanta, koa dia andrasana ny mety ho tohin’ity raharaha ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.