Politique

Naongana Ravalomanana Nihatsara ve ny fiainan’ny Malagasy ?


  • Sabotsy 16 Martsa 2013

Feno efa-taona rahampitso alahady 17 martsa ny nandrombahan’i Andry Rajoelina ny fahefana ka nahatonga azy ho filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita.

 Rehefa nivory nandritra ny roa volana sy tapany teny amin’ny kianjan’Ambohijatovo sy teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey i Andry Rajoelina sy ny ekipany, ary tsy nahazo valin-teny mahafa-po tamin’ny fitakian’izy ireo, ny fametraham-pialana minisitra, dia nanapa-kevitra ny hiroso amin’ny dingana manaraka. Naely ny vaovao fa nandamoka ny diniky ny roa tonta teny amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola. Niditra an-tsehatra ny mpanelanelana vahiny, tety an-kilany dia efa tsapa fa nisy ny miaramila tsy nety nandray baiko intsony tamin’ny fitondrana Ravalomanana. Ny Capsat no nitarika ny fikomiana ny 8 martsa 2009, niparitaka tany amina toby hafa izany. Nanao fanambarana iombonana avy eo ireo “Chefs de corps” fa tsy mandray baiko amin’ny fitondrana intsony.

 

Hazalambo

 

Rehefa nandinika lalina ny zava-misy ny filoha Marc Ravalomanana dia nanapa-kevitra fa afindra amina andiana manamboninahitra ny fahefana, ka ny zokiny indrindra sy be grady indrindra ary mbola am-perinasa no hitarika ilay karazana fitondrana miaramila, araka ny fanambarana ofisialy novakian’ny Dr Fenosoa Ratsimanetrimanana, Sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Repoblika. Tsara homarihana eto fa ny Médecin Général Fred Rakotovao izay Tale jeneralin’ny Hopitaly Miaramila eny Soavinandriana, izay vao nosoloina tamin’ity taona ity no tokony handray io fahefana io sy hitarika ilay “Directoire militaire”. Tampotampoka teo anefa dia niova ny zava-nisy ka manamboninahitra ambony hafa no hita teny amin’ny Episcopat Antanimena dia ny jeneraly Ranto Rabarisoa sy ny Vice Amiral Hippolyte Ramaroson. Tsy fantatra marina izay zavatra tena nitranga fa dia izy mirahalahy ireo avy eo no nanao fanambarana teny amin’ny Capsat Soanierana fa dia omena an’i Andry Nirina Rajoelina ny fahefana ka izy izany no filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita.

Tranga tsy adino ary tsy hohadinoin’ny rehetra tamin’io 17 martsa 2009 io ny nakana an-keriny ny filohan’ny FJKM ny mpitandrina Lala Haja Rasendrahasina sy ny nandraisan’ny komanda Charles Andrianasoavina azy tamin’ny vozon’akanjony, teny amin’ny Episcopat Antanimena sy ny nitondrana azy teny amin’ny tobin’ny Capsat Soanierana. Araka ny fantatra dia Atoa Norbert Lala Ratsirahonana no nanoratra ilay taratasy milaza fa manome fahefana feno an’i Andry Rajoelina ka nasaina novakian’ny jeneraly Ranto Rabarisoa sy Hippolyte Ramaroson tao amin’ny Capsat ny alin’io 17 matsa io. Nanomboka teo ihany koa ny fanaovan’ny FAT hazalambo ireo rehetra nambara fa niara-niasa tamin’ny filoha Marc Ravalomanana, na mpanao politika io, na miaramila, na mpandraharaha na mpanao gazety, eny fa na olon-tsotra aza. Betsaka ny fampanantenana sy fampanofinofisana ny olona natao tamin’izany 2009 izany. Efa-taona izay no dila dia anjaran’ny tsirairay no mandinika hoe niha tsara tokoa ve ny fiainana eto Madagasikara ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT