Politique

Nampiaka-peo Ravalomanana “Hijoro isika fa tsy rariny intsony izao”


  • Zoma 10 Janoary 2020

Nivoaka tao anatin’ny fahanginany ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana sady mpitarika ny Rodoben’ny mpanohitra, taorian’ny didim-pitsarana momba ny fifidianana. Miharihary ny tsy fanajana ny fahamarinana.

 

 

 

Efa tena loza satria tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka intsony ny maro an’isa, hoy izy. Nisy ny tsindry nahazo ireo mpitsara ny raharaham-pifidianana, ka ireo te hijoro tamin’ny fahamarinana aza tsy afa-nanoatra. Naharay fitarainana avy any Parisy ny tenany momba ny hanakonana ny marina, ka tokony ho mailo. Nisy ihany koa ny fitarainana amin’ny tsindry amin’ny tsy hanaovana fampitahana ny lisi-pifidianana mba tsy hahavaky bantsilana ny marina. Tsy nomena fitenenana nandritra ny fitsarana ireo vavolombelona toa an’ny Pasitera Lala Rasendrahasina ary noferana ny mpisolovava. Sao dia mihevitra ianareo fa hipetraka fotsiny amin’io izahay, hoy i Marc Ravalomanana. Hanoratra any amin’ny sehatra iraisam-pirenena, toy ny vondrona Eoropeanina, ny Firenena Mikambana,… hijery sy hitsara ny raharaha eto Madagasikara aho, hoy izy. “Aza mihevitra tsy ho tratry ny aloka ianareo, ary ianareo miditra amin’ny tokonam-baravaram-piangonana hidiranareo mba mieritrereta ihany. Ianao izay ambara fa lany, dia mba mieritrereta ihany hoe lany tamin’ny tsy marina”, hoy hatrany izy. Koa manao antso avo aminareo vahoaka aho, aoka isika mba hifoha amin’ny torimaso amin’izay ka tsy hanaiky ny firenena hataon’ny olom-bitsy takalon’aina. Manao antso avo aminareo Malagasy izay mahatsiaro fa tsy rariny intsony izao zava-misy izao ihany koa aho, fantatro fa maro ianareo fa saingy mangina, sahia mijoro sy ho saro-piaro amin’ny hoavin’ny firenena ka tsy hanaiky intsony amin’ny fandikan-dalàna misesy sady tsy misy farany izao. Andao hatambatra ny hery. Tsy firenena voaozona akory i Madagasikara ka ho firenena mahantra ary handefitra lava amin’ny tsy fahamarinana sy ny fandikan-dalàna, hoy izy hentitra dia hentitra. Hidinika ireo mpitarika ary avy ny toromarika ho an’ireo mpanara-dia amin’izy ireo.

 Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT