Politique

Nampiaka-peo ireo Filoham-pokontany Manome “ultimatum” 48 ora


  • Talata 23 Aogositra 2011

“Tsy hisy hisahana ny fikarakarana ny lisi-pifidianana izany eto raha tsy mivoaka ny namanay nogadraina noho ny resaka kabone.

 Tsy hisy ny fanaterana lisi-pifidianana eny anivon’ny CIR raha tsy mivaha ny olana mianjady amin’io namanay io ary afahana madiodio amin’ny fanenjehana azy”. Izay no nataon’ireo Filoham-pokontany nivory tao amin’ny Lapan’ny Faritra Atsinanana, ny alahady tolakandro teo. Omaly alatsinainy rahateo no fe-potoana farany tokony hanaterana ity lisi-pifidianana ity eny anivon’ny CIR na foibe fandraketana amin’ny solosaina ny anaran’ny mpifidy handrafetana lisi-pifidianana. Vokany “nanome fe-potoana 48ora” nanomboka omaly alatsinainy hanafahana io filoham-pokontany io, ireto Filoham-pokontany 138 ao Toamasina ireto, tarihan’ny filohany Razafisoahanana Hery sy ireo mpiara-mitarika Atoa isany Razafindrabe Nirina, Besy Simon, Tsirahony ary Philémon.

Na izany aza dia nanamarika izy ireo fa mitohy ny asa maha Filoham-pokontany na eo aza izao hetsiky aton’izy ireo izao, saingy miato kosa ny fanomanana ny lisi-pifidianana sy ny fanaterana azy any amin’ny CIR. Ny volana oktobra 2010 no nitranga ity raharaha ity, ka nitarika amin’ny fitanana am-ponja ny Filoham-pokontany iray ao Valpinson. Fiompiana kisoa sy fanorenana kabone manakaiky ny tranona mpampianatry ny oniversite monina ao Valpinson no niavian’ny olana.

Nitondra ny raharaha teny amin’ny fitsarana ady madio ilay mpampianatra. Nivoaka ny didy manala avy hatrany ity fiompiana kisoa sy ilay trano fivoahana. Ilay fiompiana kisoa no nesorina avy hatrany, ilay trano fivoahana kosa nafindra toerana fotsiny. Ity farany anefa no nahatonga ny olana, na efa nahazoana fankatoavan’ny BMH sy efa nanaovan’ny vaditany fanamarinana aza ny famindrana azy. Nogadraina nanomboka ny 08 aogositra 2011 teo ilay Filoham-pokontany noho ilay kabone tsy nesorina fa nafindra fotsiny, nampangaina ho tsy nanaraka didim-pitsarana.

Nahazo LP izy nefa notoherin’ny fampanoavana ka izay no itazonana azy am-ponja vonjimaika na MD hatreto. Mahatsiaho ho maty hasina anefa ireo Filoham-pokontany ao Toamasina eo anatrehan’izany, nefa olom-boafidy fa tsy olom-boatendry akory, amin’izay mbola itontonan’ny asa rehetra koa. Nanamafy ny firaisankinany izy ireo ka ankoatra ity “ultimatum 48ora” ity, dia hanao rodobe eny amin’ny fitsarana koa izy ireo amin’ny 30 aogositra izao, andro voatondro hitsarana ilay Filoham-pokontany naman’izy ireo. Araka ny fantatra dia mpiara-miasa taloha teo anivon’ny oniversiten’i Toamasiana ny mpitory sy ny toriana amin’ity raharaha ity. Efa nisotro ronono efa ho roa taona teo anefa izao ilay MD ao Ambalatavoahangy. Ho hita eo ny ho tohiny !

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT