Politique

Namana taloha Tsiponin’ny FAT tsirairay


  • Talata 12 Febroary 2013

Volana vitsy sisa dia hatao veloma ny tetezamitan-dRajoelina satria ho olomboafidy amin’izay no hitondra amin’ireo ambaratongam-pahefana isan-tsokajiny.

 Tsy tiany ho rendrika samirery anefa ny sambon’i Andry Rajoelina fa mitady namana halentiny miaraka aminy izy. Ireo mpanao politika namana fahiny no toa atao hazalambo amin’izao ka ireo manana anarana miatomboka amin’ny litera A na mitondra ny anarana Alain no isantarana azy. Taorian’i Alain Ramaroson dia ny CST namany Alain Tehindrazanarivelo indray izao no lasibatra izao. Samy filoham-baomiera eo anivon’ity andrimpanjakana ity izy mirahalahy ireo. Resaka fisandohana andraikitra nanaovana fanodinkodinam-bolam-panjakana fony izy mbola praiminisitra lefitra nisahana ny fahasalamana no anenjehana an’i Alain Tehindrazanarivelo araka ny nambaran’ny mpisolovavany Rajaonarison Santanavalona.

Tamin’ny volana jolay 2012 no nampanantsoin’ny Bianco voalohany ny tenany ary mbola miverina fanindroany izany. Omaly no tokony hiatrika fanadihadiana teny Ambohibao i Alain Tehindrazanarivelo raha ny zoma hariva no naharaisany fiantsoana saingy tsy namaly izany antso izany izy noho ny tsy fanajana ny lalàna. Sady tsy nampahafantarina ny birao maharitry ny CST akory ilay fanenjehana no tsy misy ny fangatahana fanesorana ny “immunité parlementaire”, hoy ny mpisolovavany. Ankoatra izay dia ny “Haute cour de justice” irery ihany no rafi-pitsarana mahefa hitsara azy raha ny fanazavany hatrany ka tokony hijanona ny fanenjehana raha tsy mijoro io fitsarana io. Tahaka ny zava-misy tamin’ny raharaha Alain Ramaroson dia naneho firaisankina tamin’i Alain Tehindrazanarivelo ireo mpikambana CST, indrindra fa ireo anaty vaomiera mpanao fanadihadiana manokana.

Mitovy avokoa ny hevitr’izy ireo dia ny hoe fihantsiana tsotra izao no ataon’ny fanjakana. “Korontana mihitsy ve no tiana volena eto sa inona», hoy i Beza Seramila niteny tamin’ny anaran’ny GEC. Nanamafy koa i Vaovao Benjamin avy amin’ny Arema fa misy mitady fihantsiana lava. Ho an-dRasolofo René indray dia ireo olona voatohintohina amin’ny raharaha isan-karazany anaovan’ny CST fanadihadiana manokana amin’izao no mitady hanary rano maloto amin-dry zareo mpanao ilay fanadihadiana. “Kajikajy ity famoronana dosie ity nefa tsy mihemotra izahay fa mitohy hatrany ny fikarohana ny marina”, hoy izy.

 Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT