Nitondra porofo tamin’ny tsy fetezan’ny fifidianana Senatera tany Toliara
Nanamafy ny fitarainana efa nataony niaraka tamin’ireo lohalisitry ny kandidà senatera tany Toliara taorian’ny fifidianana natao ny 29 desambra teo ny kandidà
lohalisitra natolotry ny fikambanana FITIBA na Firaisankinan’ny TerakIBARA tarihiny omaly teny amin’ny Ibis Ivandry-Ankorondrano ny amin’ny tsy nahara-dalàna an’iny fifidianana natao iny noho ny hosoka nisy sy faneriterena isan-karazany natao tamin’ireo mpifidy vaventy ka mangataka ny fanafoanana na famerenana azy manontolo noho ny tsy fanarahan-dalàna voaporofo tanteraka ny fisiany. Nitondra ny porofo nanambarana izany tsy fahatomombanana izany moa izy dia ny bileta tokana misy marika manokana toy ny tsipika roa na sary boribory fotsiny … fa tsy mba tanam-bokovoko toy ny fanao hatrizay. Mangataka feno ny filoham-pirenena sy ny fitondram-panjakana tarihany, ny Hcc sy ny Ceni ity fikambanana ity mba hijery marina ny zava-nisy tamin’iny fifidianana iny. Nambarany ihany koa fa efa nametraka fitarainana manokana any amin’ny UNMDH Toliara mpiaro ny zon’olombelona izay tarihany ihany ny fikambanana FITIBA mikasika izay zon’olombelona voahitsakitsaka tamin’ny fifidianana izay. Na dia nanambara aza moa ity kandidà lohalisitra ity fa tsy fitadiavana toerana no namparisika azy hirotsaka ho kandidà senatera fa fikatsahana ny fampandrosoana ny faritra misy azy ireo marina dia nisongadina ihany raha notarafina tamin’ny toerana notanany teo aloha tamin’ny naha DST azy teo aloha fa ny fikatsahana ny fahamarinan-toerana sy ny fisongana hatrany eo amin’ny fiainana toy ireo mpifaninana taminy no tena tao an-dohany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.