Politique

Naivo Raholdina sy Jean Nirina HAFARI Raikitra amin’izay ny “Face ŕ Face”


  • Talata 26 Jolay 2016

Noho ny fifampitoriana misy eo amin’ny roa tonta dia tsy maintsy hihaona ihany ary hifanatrika ny depiote Naivo Raholdina sy Atoa Jean Nirina Rafanomezantsoa filohan’ny fiarahamonim-pirenena Hafari Malagasy.

 

 Na dia mifanasa vangy mifamaly amin’ny alalan’ny haino aman-jery samihafa tahaka ny inona aza ny roa tonta noho ny hevitra tsy hitovizana dia tsy mety tafahaona mivantana mihitsy hatramin’izay niatombohan’ny tsy nifanarahan-kevitra izay. Ankehitriny anefa noho ny fifampitoriana hifanaovan’ny an-daniny sy an-kilany dia tsy maintsy hihaona any amin’ny famotorana ataon’ny manampahefana ihany izy ireo, ary tsy maintsy hampifanatrehana. Ingahy depiote tsy nametraka fitoriana nivantana fa nampirisika ireo olona nolazainy fa manana olana ara-bola amin’ny filohan’ny Hafari Malagasy hitory azy tany amin’ny SUT Tsaralalàna. Ireto farany anefa dia nanao fanambarana an-taratasy mazava fa tena miara-miasa tsara ary tsy manana olana fa manampy ara-bola an’Atoa Jean Nirina Rafanomezantsoa aza eo amin’ny tetikasa ataony. Taorian’ny fanadihadiana natao tamin’ireo olona ireo ary anisan’izany ny filohan’ny Hafari Malagasy dia hiakatra fampanoavana ny alarobia ho avy izao ity raharaha ity. Etsy an-kilan’izay, Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina dia nitory an’ingahy depiote Naivo Raholdina noho ny fanaovana antsojay sy fampihorohoroana maro nataony ka voaantso hatao famotorana eny amin’ny Sampana fikarohana heloka Bevava eny Fiadanana ny roa tonta anio maraina.

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT