Nanao antso sy fangatahana ho an-dRamatoa minisitry ny fampianarana sy ny tompon’andraikitra rehetra miaraka aminy ny Solombavambahoakan’i Madagasikara Naivo Raholdina
voafidy teny amin’ny boriborintany fahadimy mba hitondra fanazavana maika ho an’ny ray aman-drenin’ny mpianatra eny amin’ny Sekoly Fanabeazana Fototra (EPP). Lasa niteraka korontana amin’ny EPP maro tahaka ny eny amin’ny boriborintany fahadimy eny Ambohidahy, Ambatokaranana, Tsarahonenana, Ambatomaro, Saovimasoandro ary mampiady ny ray aman-dreny sy ny tale ary ny mpampianatra mihitsy mantsy ny fanambaran’ny minisitera manao hoe : maimaimpoana ny fidirana amin’ny sekolim-panjakana rehetra. Mbola mandoa latsakemboka 2 ka hatramin’ny 4 alina ariary anefa ny mpianatra ary tsy tafiditra mianatra mihitsy raha tsy voaefa io. Mody atao maimaimpoana kanefa rehefa hiditra ny varavaran’ny fianarana dia takiana ary tsy maintsy mandoa. Noho izany rehetra izany dia mangataka amin’ny minisitera ny tenany hitondra fanazavana ny amin’ny “caisse d’école” ary hanampy ireo ray aman-dreny ireo amin’ny latsakemboka aloan’ny FRAM hanamaivana ny fahasahiranana satria io no tena manavesatra eny amin’ny sekolim-panjakana. Ankoatra izay, nanatanteraka ny asa sosialy mahazatra azy ny fikambanana fanantenana FAFI-5 ka nanolotra fitaovam-pianarana toy ny kahie, penina, torosy hatramin’ny vary sy laoka ary fitafiana sy kiraro.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.