Politique

Naivo Raholdina Hitory ny filohan’ny HAFARI Malagasy


  • Zoma 05 Febroary 2016

Taorian’ireo karazana antontan-taratasy fitarainana voarain’ny solombavambahoaka Naivo Raholdina mikasika ny zavatra nataon’ny filohan’ny fikambanana HAFARI Malagasy sy ny fanaparitahan’ity farany vaovao tsy marina

 

ary ny fandrahonana azy tamin’ny alalan’ny sms an-telefaonina izay novakiany teo imason’ny mpanao gazety omaly dia tapa-kevitra ity solombavambahoaka ity fa hitory an-dRafanomezantsoa Jean Nirina izay hiampita any amin’ny fanaovana « enquête parlementaire ». Efa ela no nandeferako tamin’ny filohan’ny HAFARI ary niezaka ny  nanitsy azy hatrany aho. Ankehitriny anefa efa tonga hatrany amin’ny fanalam-baraka ahy an-gazety ny raharaha ka tsy ekeko intsony, hoy izy. Nambaran’ity solombavambahoaka ity nandritra izany fa hoentiny eo anatrehan’ny Procureur de la république avokoa ny porofo rehetra eo am-pelatanany mikasika ny zavatra tsy nety  nataon’ny HAFARI hatramin’izay manomboka amin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra. Anisan’ny tena nahasorena mafy ity solombavambahoaka ity moa ka nampipoaka ny ady teo amin’ny roa tonta ilay raharaha ady tany nifanaovan’ny Filatex sy ny vahoaka etsy Morakenda Ankadimbahoaka. Tsy anjara asan’ny HAFARI ny fikarakarana ireny satria izahay solombavambahoaka voafidy tamin’ny anaran’ny MAPAR no nikarakara ny mponina teny voalohany. Mbola izahay ihany koa amin’ny maha- tompon’andraikitra eo anivon’ny fananantany ny tenako no nanao fanadihadiana mahakasika io tany io saingy izao tafiditry ny HAFARI izao, hoy izy. Novakiany bantsilana tao ihany koa fa mialokaloka ao ambany helatry ny antoko HVM ny hafari ka izay no antony mahatonga azy hitsabaka amin’ny andraikitry ny hafa etsy sy eroa io.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT