Politique

Naivo Marius Razafindraibe “Tsy mahafehy vahoaka ny fitondrana ankehitriny”


  • Zoma 20 Jolay 2012

Mila mihavana sy mifandamina tsara aloha i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina vao mijery ny olana rehetra tokony hovahana miaraka, hoy Atoa Naivo Marius Razafindraibe.

 Tena ilaina io fifandaminana io raha mbola te hampihatra an’io soridalana izay hita fa tena mikatso io. Hampitoviana tsara ny tadin-dokanga ary samy manatsahatra ny baiko alefany any ambadika any ny tsirairay dia mety hahitana mangirana ihany amin’ity raharaha iray ity. Be loatra ny zavatra tsy nety matoa tonga amin’izao fitokonana sy fihetsiketsehana goavana izao ny eto amintsika. Lany andro amin’ny famahana ny olana eo amin’ny samy mpanao politika ny fitondrana ka tsy mahafehy ny vahoaka sy ny manodidina azy. Manana ny fahadisoany ny filoha mitantana, hoy izy, fa mbola diso kokoa noho izy ireo mpanolotsaina azy izay mpiasam-panjakana ny ankamaroany.

Ny toe-tsaina sy ny fomba entina hamahana ny olana mihitsy no mila amboarina, hoy Atoa Naivo Marius Razafindraibe. Efa hatramin’ny fitondrana nifanesy mihitsy izany saingy nampian’ny krizy lavareny tsy misy fiafarany dia vao mainka nihombo. Ankoatra izay dia taratra fa olana tsy mety mampivaha sy mampitarazoka ny fitakian’ny sendika isanisany anefa ny fisian’ny tombo sy hala amin’ny samy mpiasam-panjakana. 

 
Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT