Politique

Naina sy Rina 5113 monja ny elanelam-bato


  • Alatsinainy 02 Desambra 2019

Mandresy i Naina Andriantsitohaina amin’ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra, raha ny vokatra navoakan’ny CENI.

 

 

 

 Vato 73 322 ny an’ny Kandida IRK Naina Andriantsitohaina izay manome 48, 90%, raha toa ka 68 209 kosa no azon’i Rina Randriamasinoro, izay manome 45,49%. Zara raha nisy 23,23% ny taham-pandraisana anjara. Heverina fa tsy hitsimbadika amin’io intsony ny vokatra.  Manome 5113 ny elanelam-bato eo amin’ny kandida roa tonta , na vato azo amina biraom-pifidinana miisa 7 monja raha raisina ilay hoe 700 mpifidy isaky ny biraom-pifidianana iray no ambaran’ny lalàna. Tamin’ny fifidianana depiote izay natao farany teo dia manodidina ny 65 000 ireo nifidy ny TIM, ary 58 000 teo ho eo kosa no nifidy ny IRD. Tafiakatra 73 300 mahery anefa ny IRK aty amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ao anatin’ilay taham-pandraisana anjara 23% izay latsaka be mitaha ny tamin’ny fifidianana depiote. Raha ny tena zava-nisy teto an-drenivohitra anefa tsy hoe nanao zavatra be ny fanjakana, ka resy lahatra tamin’ny fampandrosoana haingana ny olona, fa ny nifanohitra tamin’izay : rano tsy nisy, jiro tapaka, entana miaka-bidy,… Ny ankilany aty amin’ny TIM dia manamafy ny karazana hosoka sy hala-bato, ary efa maro ireo porofo voalaza fa efa voaray etsy amin’ny Foiben-toerana etsy Bel’Air. Raha ambara fa mitombina io, dia tsy afaka ny hirehareha amin’ny fandreseny mihitsy Atoa Naina Andriantsitohaina satria nisy 77% tsy nifidy tao, ary zara raha nisy 48% tamin’ny 23% izany no nahalany azy, izay fandresena mbola azo hiadian-kevitra raha jerena amin’ilay resaka fanesorana sy fampidirana olona tao anaty lisi-pifidianana. Tsy misy mafy be intsony izany eto, eny fa na Rina Randriamasinoro aza no lany raha hitsimbadika io, fa dia fahefana tsy marin-toerana foana. Tsy maintsy miara-miasa, ary tsy afaka ny hirehareha velively. afaka 4 taona ho hita eo indray. Tena tsy miraika firy am in’ny politika intsony ny olona, tsy resy lahatra, tsy vonona handray andraikitra, fa mety kamo sy tsy te hisahirana koa anefa fa samy tia tena, samy maka ho azy. Izay no tena mahasarotra ny asa fampandrosoana eto. Kisarisarina fihavanana sy fifanomezan-tanana sisa, fa raha ny tena marina dia efa rava ilay modelina fiarahamonina Malagasy nalaza fahiny.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT