Politique

Naina Andriantsitohaina “Tsy manam-pahavalo aho”


  • Zoma 17 Janoary 2020

Tontosa omaly tamim-pilaminana sy fifanajana tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely teo amin’ny ben’ny tanàna teo aloha Rtoa Lalao Ravalomanana sy ny ben’ny tanàna vaovao Atoa Naina Andriantsitohaina,

 

 

teo ambany fiahian’ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian ny fifamindram-pahefana nikaton-trano nifanaovana. “Nilamina tsara daholo ny antontan-taratasy ary nifampitso-drano izahay. Laharam-pahamehana ny eto Antananarivo, ary tonga dia hiasa izahay. Hanomana ny fivorian’ny filankevitra monisipaly amin’ny herinandro sy ny asam-baomiera”, hoy ny ben’ny tanàna vaovao tamin’ny tafa fohy nataony. Ny tolakandron’io ihany koa no nisian’ny lanonana ara-panjakana nametrahana ny samboady maha ben’ny tanàna an’Atoa Naina Andriantsitohaina. Nangataka fiaraha-miasa fifanoloran-tanana amin’ny rehetra ny tenany mba ho fampandrosoana an’Antananarivo. “Tsy manam-pahavalo aho na olona na antoko na firehan-kevitra, ny fahavaloko, dia ny tondra-drano, ny fitohanan’ny fiarakodia, ny fahalotoan’ny tanàna ary indrindra ny tsy fanarahan-dalàna…”, hoy izy. Isan’ny laharam-pahamehany rahateo ireo, ary hentitra izy tamin’ny filazana fa tsy handefitra amin’ny tsy fanarahan-dalàna: fanorenana trano, fifamoivoizana izay hakarina ny sazy amin’ny tsy fanarahan-dalàna,… Tsy hisy kosa ny fandroahana mpivarotra faobe fa kosa hanangana tsena, izay tsy ho vita ao anatin’ny iray andro. Olo-manan-kaja maro samihafa, toy ny mpikamban’ny governemanta, solontenan’ny firenena vahiny, mpikamban’ny antenimiera roa tonta, mpikatroka politika avy amin’ny antoko sy vondron’antokon’ny fitondrana.

Manana tombony i Naina Andriantsitohaina

Tao anatin’ny 4 taona nitondran-dRamatoa Lalao Ravalomanana, dia nisedra zavatra maro ity ben’ny tanàna ity. Trosa hatrany amin’ny 44 miliara ariary no novantanina. Tsy nahazo fanampiana (subvention) tamin’ny fanjakana, nohenjehina sy notoriana ny CUA, natao fahirano raha tsy hilaza afa-tsy ny resa-pako tsy nesorin’ny fanjakana na 4 miliara ariary isan-taona aza ny vola nomena ny SAMVA. Mbola afaka nampihodina ny kaominina anefa izy sy ny ekipany. Voaloa ny karaman’ny mpiasa ary mbola nisy aza ny “prime” ho azy ireo. Nahazo loka iraisam-pirenena ho an’ny tontolo maitso an-tanàn-dehibe Antananarivo. Nisy ny ezaka izay isaorana azy saingy maro ihany koa ny zavatra tsy azo nanoharana. Tsy mbola ben’ny tanàna kosa Atoa Naina Andriantsitohaina, dia efa nambaran’ny filoha Rajoelina fa homena 10 miliara ariary ny kaominina, nahazo fiarabe 15 hitaomana fako. Noho ny tsy fitovian-kevitra politika no nanaovana fahirano an’Antananarivo ka inoana fa tapitra izany amin’izao fitondran’i Naina Andriantsitohaina izao. Malalaka kokoa izy amin’ny fitantanana sy ny fanapahan-kevitra ary betsaka rahateo ny fampanatenana, raha tsy hilaza afa-tsy ny “Veliranon’Iarivo”. Miandry  ny rehetra !

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT