Manomboka hita soritra tsikelikely ny fomba fitantanana nosafidian’ny ben’ny tanàna vaovao Naina Andriantsitohaina ny renivohitra.
Tonga dia vavany fa tsy misy andraso andraso. Tsaroana fa vao lany izy no nanomboka ny fandaminana ny sisin’ny arabe tamina faritra maro teo Antananarivo. Niditra an-tsehatra avy hatrany nanala ireo mibahana arabe sy nampianatra ny olona indray hiampita amin’ny faritra natokana amin’ízany ny polisy, zandary sy miaramila. Mbola mitohy hatramin’ízao io hetsika io. Hita taratra tao amin’ny tetibolan’ny kaominina ihany koa fa nidangana ny sazy alaina amin’íreo fiara nandika lalàna ka miditra “fourrière”. Efa nirosoana ny fanesorana ireo trano kely (box) eny amoron-dalana, ny mpivarotra amoron-dalana izay mbola somary sarotsarotra aloha hatreto kanefa fantatra fa tsy maintsy alamina io raha ny fandaharanasan’ny ben’ny tanàna no raisina. Ao anatin’ny fandaminana haingana ny tanàna izay ihany dia nihaona tamina antokon-draharaha sy sokajin’olona maro ny ben’ny tanàna. Nidinika tamin’íreo koperativa mpitatitra eto an-drenivohitra izy ny 5 febroary. Anisan’ny loharanon’ny tohamboivoy eraky ny lalana mantsy ireo taksibe. Ny ampitson’íny, izany hoe ny 6 febroary dia nihaona tamin’íreo mpivarotra teny amin’ny Petite vitesse izy ka namerina indray fa aleo miditra ao anaty tsena avokoa. Hisy ny fanamboarana ny tsena ary alamina ny toerana fa miditra anaty tsena avokoa ny mpivarotra no tanjona. Fambolen-kazo 3500 fototra kosa no nankalazana ny faha-20 taonan’ny polisy monisipaly ary dia niaraka nifety tamin’ireo polisin’ny CUA ny Ben’ny tanàna sy ramatoa vadiny ary ireo mpiasan’ny kaominina ny sabotsy 8 febroary teo. Mazava ny resaka fa mampiomana ireo mpiara-miasa aminy sy ny mponina eto Iarivo ny ben’ny tanàna fa tsy maintsy irosoana ny fandaminana ny renivohitra. Olona hentitra fomba fiasa no fahafantarana an’i Naina Andriantsitohaina fony izy mpandraharaha, ary tsy manaiky raha tsy tratra ny tanjona napetraka, tahaka ireo mpandraharaha rehetra lasa mpanefoefo sy manana ny maha izy azy. Inoana fa tsy niova ny toetrany rehefa niditra tamin’ny politika izy, fa mbola ilay hentitra fomba fiasa sy fitantanana ihany… Ny andrasan’ny rehetra dia ny paikady hampiasainy satria tsy mora ny handamina an’Antananarivo. Ny fitantanana tanàna tsy voatery hitovy amin’ny fitantanana orinasa. Mifangaro ao mantsy ny resaka teknika, sosialy ary politika. Tsy afaka miala bala amin’ny mety tsy fahombiazana intsony anefa i Naina Andriantsitohaina sy ny ekipany satria efa nalentika tao an-tsain’ny olona tamin’ny propagandy fa mandroso haingana isika rehefa ny olona mitovy firehana politika amin’ny fitondrana no mitantana ny renivohitra. Samy miandry io fampandrosoana haingana io ny rehetra amin’izao fotoana. Hita koa anefa fa mbola mandamina sy mitsapa marina ny halalin’ny rano ingahy ben’ny tanàna sy ny ekipany vao tena hiroboka. Zavatra efa nanaovana velirano moa ilay izy koa tsy misy miverin-dalana intsony fa tsy maintsy tanterahina ary tena mila fahasahiana io. Ny olana sy ny sakana misy foana fa anjaran’ny mpitantana sy ny mpitarika no mikaroka haingana ny vahaolana raha tena hanao marina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.