Politique

Naike Eliane Avelao hody malalaka i Marc Ravalomanana


  • Alakamisy 02 Febroary 2012

Ho an'ny mpikambana CST Naike Eliane dia tsy mila famotsoran-keloka ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, satria tsy mbola didy raikitra no nanamelohana azy.

 Mbola afaka mampiakatra amin'ny ambaratongam-pitsarana ihany koa ny mpisolovava azy ary zony tanteraka ny manao izany. Tsy teto Madagasikara ary tsy afaka niatrika ny fitsarana sy niaro tena araka ny tokony ho izy mantsy Atoa Ravalomanana, hoy ihany ity mpikambana CST ity. Avelao hiditra malalaka eto Atoa Ravalomanana, hoy izy nanohy ny fanazavany, amin'izay izy, afaka manazava tsara ny zava-drehetra.

Raha ny tokony ho izy dia afaka miditra an-kalalahana eto ity filoha teo aloha ity, hoy ihany i Naike Eliane raha toa ka tena ampiharina marina ny tondrozotra, izay milaza ao amin'ny andininy faha-16 fa atsahatra avokoa ny raharaham-pitsarana mbola mandeha amin'izao fotoana, mba hisian'ny fitoniana. Tafiditra ao anatin'io ny raharaham-pitsarana momba an'i Marc Ravalomanana. Tsy tokony hisy ny mizana tsindrian'ila na fitanilana, hoy ity mpikambana CST ity. Navela nody malalaka an-tanindrazana Atoa isany Didier Ratsiraka, Tantely Andrianarivo sy Pierrot Rajaonarivelo, izay samy voaheloky ny fitsarana avokoa, ka nahoana moa no sakanana Atoa Ravalomanana ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT