Politique

Naika Eliane “Tsy mety amiko raha tsy raisina ny fepetra hisian’ny fitoniana”


  • Alarobia 07 Desambra 2011


 Tonga teny amin’ny Lapan’Anosikely ary niditra tao anatiny saingy tsy nitsofoka tao amin’ny efitrano fivoriana omaly nandritra ny fifidianana ny ho filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita Rtoa Naika Eliane avy amin’ny ankolafy Ravalomanana izay anisan’ireo voatendry ho mpikambana vaovao ao amin’ity rafitra mpanao lalàna ity. Tazana nifampiarahaba sy niresaka fohy tamin’ny filohan’ny CST ny jeneraly Dolin Rasolosoa izy taorian’ny fifidianana natao.

Nahagaga avy eo fa raha saika hanontany azy ny antony nijanonany tao andalatsara ny mpanao gazetin’ny Tia Tanindrazana dia nailiky ny CST Leriva Manahirana fa “tsy misy fanambarana tokony hataon-dry zareo, hono, fa mialà aloha azafady”. Nahazo fanazavana tamin’ity senatera teo aloha ity ihany anefa ny mpanao gazety avy eo ka nilaza izy fa tsy afaka ny handray anjara ao anatin’itony rafitra itony raha tsy tanteraka ny fitoniana ara-politika. Ny tsy mety amiko, hoy izy, dia ny hoe tsy misy akory ny fepetra hisian’ny fitoniana politika sy sosialy satria tsy mbola mivoaka ny gadra politika ary tsy mbola sokafana ireo radio nakatona. Izaho anisan’ny nigadra sy nanao sesitany ny tenako, hoy izy, ka ahoana ny namako no jereko fotsiny amin’izao any am-pigadrana any ?

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT