Anisan’ny fitakian’ny ankolafy Ravalomanana ny fiverenan’i Marc Ravalomanana tsy misy fepetra an-tanindrazana sy ny fahafahany mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena amin’ny fifidianana manaraka eo.
Araka ny fanazavan’ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Naika Eliane anefa dia ezahina voizina ary dia miasa mafy ho amin’izany ireo milaza fa sady tsy mila an-dRavalomanana no tsy mankasitraka an-dRajoelina. Ankoatra izay dia tsy mitombina ny filazana fa hisy olana sy korontana eto rehefa tafaverina an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana, hoy ihany i Naika Eliane.
Tsy azo ekena, hoy izy ny tsy famelana ny filoha Ravalomanana hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena. “Tsy manana kandida hafa fa tokana ihany ny kandidantsika dia i Marc Ravalomanana”, hoy i Naika Eliane tetsy amin’ny Kianjan’ny finoana, Behoririka, omaly nanoloana ireo mpomba ny ankolafy Ravalomanana. Araka ny fanazavan’ity loholona teo aloha solontenan’i Menabe ity dia fanirian’ny vahoaka Malagasy ny fiverenan-dRavalomanana hitantana ny firenena. Raha misy milaza ny mifanohitra amin’izany, hoy izy, dia aleo atao ny fitsapan-kevi-bahoaka raha eken’ny vahoaka na tsia ny filatsahan-kofidian’ny filoha Ravalomanana.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.