Tafintohina tamin’ny fanapahan-kevitr’i Haja Resampa ny zanak’i Menabe raha nosakanany ny fodian-dRtoa Lalao Ravalomanana. ‘ Ny vehivavy dia hajaina sy lolohavina an-tampon’ny loha any aminay any satria kitapo nifonosana’, hoy i Naika Eliane manoloana ny baiko nomen’ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny tetezamita ny amin’ny nandroahana an-dRtoa Ravalomanana sy ny vinantony teny amin’ny seranan’ Ivato. ‘ Nanalabaraka an’i Menabe i Haja Resampa. Tsy notezaina taminay tao manko izy iny’, hoy ihany ity zanak’i Menabe ity. ‘Mifona izahay Menabe fa tsy fombanay ireny fa olo manao lohan-tsitsiky iny’, hoy ihany izy.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.