Politique

Naika Eliane Madio amin’ny kolonely Charles ny foko


  • Alatsinainy 11 Febroary 2013

Raha alaina an-keviny izao vahoaka marobe mpanohana ny filoha Marc Ravalomanana tonga ety Amboanjobe izao, hoy ny CST Naika Eliane izay anisan’ireo raiamandreny tazana teny an-toerana tamin’ny sabotsy 09 febroary dia tena tsy hita an’isa araka ny fomba fiteny

 Fa raha ampitomboina amin’ny velaran-tanin’ity toerana hifamotoanana ity ny hoe olona 5 isaky ny m2 dia anjarantsika rehetra no tena manome ny isa marina. Izany olona zavontany izany anefa, hoy izy, dia mampalahelo fa tsy avela hisafidy ny olona tiany amin’ny fifidianana ho avy. Takianay tsy maintsy tonga mialoha ny fifidianana ny filoha Marc Ravalomanana, hoy izy, fa tena ilainay ny fisian’ny lehibenay eto an-toerana amin’ny fitantanana ny antokonay Tiako i Madagasikara. Raha manontany ahy ny hevitro mikasika ny kolonely Charles ianareo mpanao gazety, ho ahy, isika miresaka fampihavanana ka izy efa nibebaka tamin’ny nataony. Ka amiko, hoy ny CST Naika Eliane, dia madio ny foko raha ny mikasika ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT