Samy miandry ny rehetra, rahoviana ihany no hotanterahina ilay fihaonan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina.
Ity farany dia nilaza, omaly teny Iavoloha rehefa avy nanome fankasitrahana ireo mpilalaon’ny Makis de Madagascar, fa vonona raha hitady vahaolana hampandroso an’i Madagasikara raha nametraka fepetra izy teo aloha, fa tokony ho sonia izay zavatra ifanarahana sisa no atao amin’izany fihaonana izany. Tetsy amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita Anosikely indray dia nisy ny dinika nifanaovan’izy ireo tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Birao fifandraisan’ny SADC eto Madagasikara, notarihin’i Sandile Schalk. Dinika tsy azon’ny mpanao gazety natrehina izy ity, saingy azo antoka fa noresahina tao ny amin’io fihaonana hifanaovan’Atoa isany Ravalomanana sy Rajoelina io ary koa ny manodidina ny fandraisan’andraikitry ny SADC amin’ny fanatanterahana ny tondrozotra, 10 volana aty aorian’ny fanaovan-tsonia azy io ka nametrahana ireo andrim-panjakan’ny tetezamita dimy hatreto.
Tsiahivina fa ny alatsinainy 09 jolay teo ny ankolafy Ravalomanana, notarihin’ny lehiben’ny delegasiona Mamy Rakotoarivelo, dia nihazo ny foiben-toeran’ny birao fifandraisan’ny SADC tetsy Ankorondrano. Na tsy nipika koa aza ny dinika tamin’io dia inoana fa nifampiresahana koa io resaka fihaonana io sy ny fanatanterahana ny tondrozotra. Fa etsy amin’ny Magro Behoririka dia tsotra ny resaka : tsy maintsy mahomby io fihaonana io. Tsy mipetraka intsony izao ny fanontaniana, hoe : ahoana raha tsy manaiky indray i Andry Rajoelina, hoy Raveloson Constant, fa ny hatao dia hoe : ahoana no fomba hampanekena an’i Andry Rajoelina hanatanteraka ny tondrozotra ? Tsy misy dikany mantsy ny tolona, hoy ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity, raha hody hitantana ny Tiko sy ho lehiben’ny Tiako I Madagasikara i Marc Ravalomanana, fa ny fanatanterahana ny tondrozotra ihany. Rtoa Naika Eliane, kosa nanipika mazava ala nenina atao amin’i Andry Rajoelina ka raha vita ny fihaonana nefa tsy mbola tafody ny filoha Ravalomanana dia rava ny tondrozotra. Tsy ho mpiray petsapetsa izahay raha izay no mitranga fa hiala, hoy ity mpikambana amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.