Efa isan’andro ny fitokanan-javatra sy ny fisehoana vahoaka ataon’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Zara aza misy zavatra kely vita,
toy ny fanavaozana sekoly, ka izy mihitsy no miezaka tonga mitokana ny zava-bita. Niaraha-nahita ny fitokanana sekoly teto Antananarivo sy ny fizarana “kits scolaires” teny Antsonjombe, izay zavatra tsy tokony hisy pitsopitsony goavana, saingy nezahiny ny hisian’ny seho ivelany mba hahafahan’ny filoha mirehareha, fa tena manao zavatra. Tsy hijanona eto Antananarivo io fitetezam-paritra io fa ezahina hitety faritra manerana ny Nosy hakana ny fom-bahoaka. Ampiasaina ny fahefam-panjakana sy ny volam-panjakana, ka mody miasa sy be kajy hatrany ny fanjakana HVM. Mbola hita taratra ihany anefa ilay hoe tsy nivonona hitondra fa kandida tampoka i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fifidianana 2013. Nanangana antoko vao tena nitady namana. Rehefa tonga teo amin’ny toerana vao mijery ny hatao sy hatomboka. Aiza ny famatsiam-bola ? Vao niana-namindra, ka tsy atao mahagaga raha fanarenana no nandrasana, saingy vao mainka nikorosy fahana hatrany ny firenena. Tsy mora ny mitondra. Tsy fialana bala anefa ny avy niaina krizy. Misy fahapotehana tsy roa aman-tany nateraky ny fanonganam-panjakana sy ny krizy tamin’ny taona 2009, misy ihany koa ny zavatra tsy tokony hiseho sy ratsy kokoa noho ny tamin’ireny fotoana ireny, ka mampirehareha ny mpanongam-panjakana hoe hafa kokoa ny tamin’ny andronay. Ny vidim-piainana mampikaikaika, toy ny vidim-bary, ohatra, dia tokony hisy ny vahaolana matotra avy amin’ny fanjakana. Tsy nanana vina hitondrana ny firenena mihitsy ny filoha ankehitriny sy ny mpiara-dia aminy, kanefa nahazo tsirony nandritra ny fotoana nitantanany an’i Madagasikara, ka dia mikatsaka mafy ny hidongy sy hibodo fahefana amin’ny fomba rehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.