Politique

Nahemotra ny fanadinam-panjakana Hihemotra koa ny fifidianana 2018…


  • Alakamisy 18 Janoary 2018

Sanganehana ny rehetra nandre ny vaovao amin’ny hanemorana ny fanadinam-panjakana eto amintsika amin’ity taom-pianarana ity. Raha ny tetiandro napetraka tany am-boalohany dia toy izao :

 Ny 31 jolay 2018 ny CEPE ; 20-23 aogositra ny BEPC ; 23-24 oktobra ny CAE. Tsy voatazona tamin’io fotoana efa nomena io fa niova ho 14 aogositra 2018 ny CEPE :  03-06 septambra ny BEPC ; 23 – 24 oktobra 2018 ny CAE/EP ; 20 – 21 novambra 2018 ny CAP/EP. Ny valanaretina pesta no ambara fa tena antony noho ny fitsaharana roa herinandro, ary teo ihany koa ny hoe fitsaharana tamin’ny fandalovan’ny rivodoza sy ho fiomanana amin’ny rivodoza mbola ho avy. Na izany aza dia tsy miova ny tetiandrom-pampianarana, fa amin’ny 04 Aogositra 2018 no mifarana ny taom-pianarana. Tsikaritra avy hatrany fa mety misy ambadika politika avo lenta ity kajikajy nanemorana ny fanadinam-panjakana ity. Ny fahataperan’ny taom-pianarana tsy miova, izany hoe tsy misy akory ny fanonerana ny fotoana tsy nianarana fa ny datim-panadinana ofisialy izany no nahemotra. Mazava ny tanjona amin’ny mety hampifamatorana azy io amin’ny fifidianana hoe mbola ao anatin’ny fotoanan’ny fanadinam-panjakana, ka tokony hampandeferina aloha hahemotra aloha ny mba ho tombotsoan’ny zaza Malagasy. Hosokajiana  hoe toe-javatra tsy azo hivalozana ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana, dia milamina ny resaka. Raha ny tetiandrom-pifidianana kajiana amin’ny naha teo ny filoha ankehitriny, dia tokony ho eo anelanelan’ny 25 novambra ka hatramin’ny 25 desambra ny fihodinana voalohany. Ao anatin’ny fotoam-pahavaratra izany, kanefa eo ihany koa ny lalàna milaza fa tsy tokony hatao amin’ny fotoam-pahavaratra ny fifidianana. Ny 21 novambra vao mifarana ny fanadinana CAE/EP ary tsy misy tokontaniny kosa ny bakalorea, raha toa ka ny 24-27 jolay ho an’ny sokajy ankampobeny tamin’ny taon-dasa, izany hoe tena lasa alohan’ny CEPE aza raha ampitahaina amin’ny tetiandro amin’ity 2018 ity. Raha kajikajiana ny amin’ity taona ity any aorian’ny fifidianana fihodinana faharoan’ny fifidianana amin’ity, izany hoe any amin’ny febroary 2018, raha toa ka tsy hotanterahana ao anatin’ny fotoam-pifidianana sy ny propagandy. Sarotra ny hiarahan’ny fanadinam-panjakana hizotra amin’ny fifidianana, fa tsy maintsy misy iray hampandeferina ao. Tsy mazava hatramin’izao ny datim-pifidianana, fa dia ampiainina amin’ny manjavozavo tanteraka ny Malagasy, izay toa midika fa hoenti-manomana ny kajy maloto hifikirana hakana tombony amin’ny fitantanana ny firenena no tanjona.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT