Politique

Nahafatesan’i Nadine Ramaroson “Azo ny porofo, novonoina ny havanay !”


  • Alarobia 23 Novambra 2011

Takian’ny fianakaviana Ramaroson, indrindra ny CST Alain Ramaroson, ankitsirano ny hanomezan’ireo kaomisiona telo ny valin’ny fanadihadiana nataon’izy ireo mahakasika ny antony nahafatesan’Itompokovavy Nadine Ramaroson tao Soanierana Ivongo tamin’ny 28 aogositra 2011.

 Na dia tatitra aza, hoy ny nambarany tsy mbola nisy hatramin’izao, kanefa malaza ho teknisianina sy manampahaizana ireo mandrafitra ny kaomisiona. Raha tena nanao fanadihadiana izy ireo dia tokony ho nahita ny hitanay, hoy i Alain Ramaroson. Mitaky ihany koa izy ireo ny hampidirana am-ponja vonjimaika ny mpanamory ny sambo sy ireo mpanampy azy, tahaka ny atao amin’ny loza nahafatesan’olona rehetra. Araka izany dia nanambara i Alain Ramaroson fa tokony hoesorina ny filazana fa voina na “accident” iny nahazo ny minisitry ny mponina sy ny raharaha sosialy teo aloha iny fa famonoana tsotra izao. Ananan’izy ireo avokoa ny porofo rehetra raha ny voalaza ka raha tsy hamoaka ny tatitra ireo kaomisiona telo dia ambaran’ny filohan’ny vaomieran’ny fiarovana sy filaminana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) ampahibemaso ireo fositra nahatonga ny loza. Nisy, hoy izy, ny nanaovana fandrahonana ho faty an’Itompokovavy fony fahavelony, izay efa nametrahany fitoriana isan’ambaratongany saingy tsy nisy niraharaha izany.

Nisy ihany koa ireo nahatsiaro ho tafintohina tamin’ny fanambarana nataony mikasika ny “bois de rose” sy fanodinkodinana tany. Porofon’izany ny nandraofana gazety iray tamina 4x4, rehefa namoaka fa misy olona ambony voarohirohy tamin’ny nahafatesan’i Nadine Ramaroson. Ankoatra izay, dia nilaza i Alain Ramaroson, fa nopotehina avy hatrany ilay sambo raha vao nivoaka tao amin’ny zandary, nesorina ireo momba ny kojakoja rehetra noho ny baiko nomen’ny lehiben’ny Faritra. Tsy manana taratasy ara-dalàna anefa raha ny nambarany io sambo io na dia fahazoan-dalana mitondra olona fotsiny ihany aza, ary tsy manana fahazoan-dalana ahafahany manapaka ny ranomasina eo anelanelan’i Sainte Marie sy Soanierana Ivongo. Tsy manana karatra maha matihanina koa ireo mpanampy ny mpanamory. Tsy misy mahalasa eritreritra hoy izy fa tena novonoina ny havanay. Andrasana izany izay mety ho tohiny.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT