Politique

Nadine Ramaroson-Talohan’ny nahafatesany «Tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony eto»


  • Alatsinainy 12 Septambra 2011

Herinandro nialoha ny nahafatesany dia nandefa taratasy tany amin’ny namany akaiky iray ny minisitra Nadine Ramaroson mba hitantarany ny zava-misy eto Madagasikara.

 «Fantatro fa manaraka akaiky ny fandehan’ny raharaha eto Madagasikara ianao ary manaraka ihany koa ny fizotry ny tantara. Niova tanteraka ny zava-misy amin’izao fotoana ary tsy misy na inona na inona mandeha amin’ny laoniny intsony. Tsy miova amin’ny foto-kevitra anefa isika ary miady hatrany mandra-pisian’ny tena fiovana», raha adika tsotsotra amin’ny tenin-drazana ilay mailaka izay nosoratany tamin’ny teny vahiny. Manome endrika avy hatrany ny fomba fijerin’ity minisitra - izay mamim-bahoaka satria niady ho an’ny olon-tsotra sy ny tsindry hazolena ity - ny raharaham-pirenena izany.

Heverina fa mety hitondra ventiny kely amin’ny fanadihadiana izay efa mandeha ihany koa satria izany filazany fa tsy misy na inona na inona mandeha intsony eto Madagasikara dia mety manamarina fa efa tsy mandala ny fitondrana FAT intsony ihany koa ity minisitra ity. Efa vaky rahateo ny ady teo amin’ny roa tonta nialoha ireny zava-niseho tany Soanierana Ivongo ireny. Teo ny ady tany Arivonimamo izay nanamelohana ny mpikambana eo anivon’ny kabinetran’ity minisitra teo aloha ity. Teo ihany koa ny disadisa teo aminy sy ny tompon’andraiki-panjakana iray momba ny tetikasa «Trano Mora» tany Mahajanga. Mifanandrify amin’ireo dia niraraka ny fandrahonana ho faty nisesisesy an-telefaonina izay nametrahan’ny minisitra Nadine fitarainana teny anivon’ny minisiteran’ny filaminana anatiny. «Tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony eto !». Midika zavatra maro izany...

 

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT