Politique

MTS-n’i Roland Ratsiraka Mailo sady be kajy politika ?


  • Alatsinainy 12 Septambra 2011

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 10 septambra teo ny MTS na Malagasy Tonga Saina, tarihin’ny mpikambana sady filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Roland Ratsiraka fa manohana ny fanaovan-tsonia ilay sori-dalana, araka ny nambaran’ny FAT ity antoko ity.

 Ankoatr’izay dia mitaky ny hampiharana ara-bakiteny ny voasoratra ao anatin’io sori-dalana io ihany koa ny MTS ary mitaky ny hanitsiana ny fomba firafitry ny CENI mba hampisinda ny ahiahy amin’ny fikarakarana ny fifidianana. Efa elaela ihany no tsy nandrenesana an’ingahy Roland Ratsiraka dia izao izy miteny izao ary manohana ilay fanaovan-tsonia ambaran’ny FAT fa mety hotanterahana ny 16 septambra ho avy izao. Tsikaritra tamin’ny fanazavany ihany anefa fa mailo sy malina Atoa Roland Ratsiraka sy ny antoko tarihany, ka sady miseho ho manohana ihany an’i Andry Rajoelina izy ireo, sady manakiana ny zavatra tsy mety anatin’ny FAT no tsy mitsivalana mivantana amin’izay ambaran’ny mpanohitra.

Tsara marihana fa efa manana solontena ao anatin’ny governemanta ity antoko ity amin’ny alalan’ny minisitry ny fitaterana, Ramanantsoa Benjamina, ary ingahy Roland Ratsiraka dia mbola anisan’ieo tsara toerana ao anatin’izao tetezamita izao ary hita fa sarotra ailika noho izy tena nanohana matanjaka an’i Andry Rajoelina tamin’ny fandrodanana ny filoha teo aloha.

Efa ho herintaona teo anefa izay dia nanomboka niova fomba fiteny ity mpikambana CST ity, ary indraindray aza tsikaritra mihitsy fa manakiana mivantana ny filohan’ny FAT sy ny governemanta amin’ny ankapobeny, izy dia anisan’ireo milaza ihany koa fa tsy afa-miala amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara ka noho izany dia tsy maintsy mandalo amin’ny SADC ny famahana ny krizy. Momba ny fiverenan’ny filoha eto aloha Marc Ravalomanana kosa dia tsy mbola mazava tsara ny hevitry ny MTS amin’ny ankapobeny sy Atoa Roland Ratsiraka manokana, fa raha ny nambarany hatramin’izay fosiny nodinihana dia tahaka ny misabaka ihany koa izy satria nisy fotoana nitsipaka marindrano ny fiverenan’ity filoha teo aloha ity eto an-tanindrazana, aty aoriana anefa toa manaiky ny hiverenany ihany na dia nametraka fepetra vitsivitsy aza. Tsy dia atao mahagaga ny fahamailon’ny MTS amin’ny zavatra ambarany sy ataony satria zovy no tsy mahalala fa anisan’ireo kandida azo antoka fa hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena Atoa Roland Ratsiraka.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT