Nisy ny fanangonan-tsonia nataon’ny mponina etsy Mahavokyfa tsy ankasitrahan’izy ireo ny fanendrena ny sefo fokontany vaovao.
Ity farany izay efa nitondra nandritry ny 10 taona ary tsy nisy zava-bitany, hoy ireo mponina nanaovana ny fanadihadiana. Angaha tsy mahita olona hapetraka mihitsy ny distrika, fa olona efa tsy mahavita dia mbola averina hitantana fokontany indray? Araka ny fanazavana voaray teny an-toerana, dia tsy ankasitrahan’izy ireo ny hitantanan’izy io. “Maninona rehefa alana na esorina dia esorina avokoa ny sefo fokontany 192 mandrafitra ny kaominina Antananarivo Renivohitra, fa tsy alana tsikelikely tahaka izao ?”, hoy ilay nesorina. Misy kajikajy politika ao, fa ho avy ny fifidianana kaominaly, hoy ny fanazavana azo.. Io olana iray io no tena itambaran’ireo sefo fokontany nalana hatreto, izay efa nisy tany amin’ny 20 any ho any no efa niala tamin’izay fitantanana ny fokontany iza. Andrasana ny mety ho tohin’ny hetsika hataon’ny mponina eny Mahavoky.
Nitondra ny heviny ny lefitry ny sefo fokontany
Nambaran’ny lefitry ny sefo fokontany vaovao fa ny zavatra takian’ny mponina ny hanaovana ny fifidianana sefo fokontany, ka matoa notendrena amin’izay andraikitra izay dia vonona ny hampandroso ny fokontany ary andrasana io fifidianana io. Ny zoma lasa teo no natao ny famindram-pitantanana teo amin’ny roa tonta ary omaly alatsinainy no nandray ny toerany izy ireo. Hanao zava-baovao eo anivon’ny fokontany, ireto mpitantana vaovao ireto, raha ny fanazavana azo tamin’io lefitry ny sefo fokontany io hatrany, toy ny fampandrosoana sy ny mikasika ny fandriampahalemana, hoy hatrany izy.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.