Very fanahy mbola velona ny ankamaroan’ireo mponina voakasik’ilay tetikasa tana-masoandro kasain’ny fitondram-panjakana hanotofana tany an’arivony ha ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.
Nivory sy nikaon-doha tetsy amin’ny tranompokonolona Ambohitrimanjaka izy ireo omaly nahitana ireo solontena maro avy any Ankadimanga, Ambohidrapeto ary Fiombonana. Nambaran’izy ireo fa ny fihaonany mivantana amin’ny filoham-pirenena ihany no tena mety ahitany ny tena marina. Ny mampalahelo mantsy, hoy i Eric Randrianaivo, solontenan’ny mponina dia tsy araka ny tokony ho izy ny vaovao naelin’ireo nilaza fa solontenan’ny filoha nihaona tamin’izy ireo tamin’ny talata lasa teo, tao anatin’ny tambajotran-tserasera. Naely ny vaovao fa nanaiky ilay tetikasa tana-masoandro izahay mponina eto Ambohitrimanjaka, hoy izy vaovao mbola haely amin’ireo mponina eny Ankadimanga ihany koa ka lasa miteraka fifandonana eo amin’ireo mponina voakasiky ny tetikasa. Ekena hoy Atoa Eric Randrianaivo fa tsy manda ny asa fampandrosoana kasain’ny filoham-pirenena hatao izahay toy ny fampidirana herináratra….saingy sa tsy manaiky ary tsy hanaiky velively ny hanotofana ny tanimbarinay, kosa. Ankoatra izay hoy hatrany ity solon-tenan’ny mponina ity dia nolazaina fa haato aloha ny asa kasaina hatao eny Ambohitrimanjaka saingy mbola tazana eny amin’ny lalana hiditra ao an-toerana hatrany ireo karazama kaontenera hatao solona trano hipetrahan’ny mpiasa hanatanteraka ilay tetikasa tana-masoandro. Nomarihin’ireto mponina eny Ambohitrimanjaka sy Atsimomdrano ireto moa fa raha toa ka mbola minia manatanteraka ilay tetikasa tana-masoandro ao amin’izy ireo ihany ny fitondram-panjakana dia haneho ny heriny ihany koa izy ireo. Mandrapaha anefa dia fantatra fa hampiato ny tolona aloha izy ireo satria mahatoky ny fahendren’ny filoham-pirenena izay nanantitrantitra fa haka ny tanin’ny gasy lasan’ny vahiny aza fa tsy sanatria hivarotra izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.